Krismasy 2018 : Ny anaran’i Jesosy irery ihany no ahazoana famonjena

Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena

Ny Baiboly, Asa 4:12

Io andinin-tsoratra masina io no teny filamatra ho entintsika mankalaza ny Tompo amin’ity Krismasy 2018 ity. Ny fahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany tokoa mantsy dia tsy afa-misaraka velively amin’ny asam-pamonjena notanterahiny. Ary ahindrahindra etoana fa tsy misy lalana hafa ahazoana famonjena afa-tsy amin’ny alalan’i Jesosy irery ihany. Jesosy, izay midika rahateo hoe : »Jehovah no Mpamonjy ».

Toy ny isan-taona dia hizara telo lehibe ny fotoanantsika :

  • Alatsinainy 24 desambra manomboka amin’ny 6 ora hariva : fotoam-piderana miaraka amin’ny ministeran’ny fiderana
  • Talata 25 desambra manomboka amin’ny 9 ora maraina : fotoam-piderana miaraka amin’ny ankizy
  • Talata 25 desambra manomboka amin’ny 3 ora tolakandro : fotoam-piderana miaraka amin’ny zatovo

Koa asaina am-pitiavana ianao hiaraka aminay mandritra ireo fotoana ireo, araka izay fahafahanao.