Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany
Ny Baiboly, Asa 20:28
Alahady 27 Janoary. Tamin-kafaliana lehibe no nandraisan’ny fiangonana ara-pomba ofisialy an’Andriamatoa isany : Tiana Rajaona, Sandy Ralambomanana ary Faly Ravoahangy, mba hanampy isa ny loholona rehefa avy nozahana toetra nandritra ny enim-bolana.
Zava-dehibe amin’ny fiainam-piangonana ny fotoana tahaka izao satria mitombo ny mpanompon’Andriamanitra nantsoiny hitandrina ny ondriny. Asa fitandremana feno tokoa mantsy no napetrak’Andriamanitra amin’izy ireo, araka ny andinin-tSoratra Masina hitantsika etsy aloha, ary tsy azo atao an-tsirambina izany.
Koa atolotra antsika etoana izy valo mirahalahy mianaka misahana ny asa fitandremana eto anivontsika:
- Haja Ralambomanana (Mpitandrina matihanina eto amin’ny fiangonana)
- Jean Gabriel Rasaminanana
- Landy Rabenirainy
- Raphael Razakarivo
- Modeste Rabesaotra
- Tiana Rajaona
- Sandy Ralambomanana
- Faly Ravoahangy
Inona no andraikitry ny fiangonana manoloana izao fanokanana loholona izao?
Ny fiangonana, tenan’i Kristy, dia mpiray ombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Manana anjara lehibe amin’izany fanendrena loholona izany tokoa isika araka ny Soratra Masina. Rehefa avy nanolotra sy nizaha toetra azy ireo nandritra ny fotoana tsy fohy isika, dia notanterahintsika ny fanokanana azy ireo. Inona kosa no manaraka ?
Manaiky. “Maneke ny mpitondra anareo ary manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany any amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany” (Hebreo 13.17)
Mitondra am-bavaka. “Ary mivavaha mandrakariva … ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny Filazantsara, mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.” (Efesiana 6.18-20)
Taorian’ny fanompoam-pivavahana ny Alahady maraina, fotoana nanokanana azy ireo rahateo, dia nitohy ny hariva ny fotoana tamin’ny alalan’ny fametraham-panontaniana izay nahazoana namantatra bebe kokoa ireo loholona valo mirahalahy. Tao anaty fifaliana tanteraka sy firahalahiana no nanatanterahana izany, nitantaran’izy ireo ny lalana nitondran’Andriamanitra ny fiainany, nanehoany tamin’ny fo madio ihany koa ny hetahetan’izy ireo, indrindra ny hitondrana azy ireo am-bavaka. Fohy moa ny fotoana ka tsy voapetraka avokoa ny fanontaniana tiana napetraka. Saingy izao no zava-dehibe voarain’ny tsirairay ka anentanana antsika : Andao isika hazoto hivavaka ho azy ireo ka mba handroso hatrany tokoa anie izy ireo amin’ny fitandremany ny tenany, ny ondry entiny, ny antson’Andriamanitra izay nekeny, ary ny asa fanompoany !