Ary Jesosy namaly hoe: ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra
Marka 12:29-30
Raha tena marina ho anao tokoa fa Jehovah no Andriamanitra tokana, ary raha tena te ho tia Azy amin’ny fonao manontolo enao, dia tsy tokony haka fotoana hiresahana aminy va hianao?
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra (2Timoty 3:16-17)
Ny Baiboly manontolo no nomena ny Kristianina rehetra. Ny zava-drehetra ao amin’ny Soratra Masina, nanomboka tamin’ny Genesisy 1 ka hatramin’ny Apokalypsy 22, dia ho an’ny fiangonana.
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao (1Korintiana 10:11)
Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina (Romana 15:4)
Fitopolo ora no hamakiana ny Baiboly iray manontolo.
Fampiasam-potoana tena tsara indrindra ny famakiana ny Baiboly.
Zavatra efatra tsy maintsy fidianao
1. Mifidiana fotoana
Raha raisinao ny fotoana laninao miaraka amin’Andriamanitra ho fotoana voatokana ao amin’ny fadaharam-potoananao isan’andro, dia tsy ho tapahanao mitsy zany fotoana zany. Ny maraina no fotoana tsara indrindra hisorohana ny fanelingelenana, sady mbola taitra sy mavitrika tsara ny vatana sy ny saina.
Na inona na inona fotoana anaovanao azy, dia ataovy fotoana mety aminao ka tsy ho tapatapaka. Mety ho tsara kokoa amin’ny fandaharam-potoananao ny manao azy mandritry ny sakafo atoandro, na alohan’ny hatory.
Tsy misy fe-potoana voafaritra. Manapa-kevitra ianao hoe firy ny fotoana ahafahanao mivavaka sy mamaky Tenin’Andriamanitra isan’andro. Ataovy fohy aloha amin’ny voalohany. Mety hivoatra bebe kokoa izany rehefa miazatra. Atombohy amin’ny tanjona azo tratrarina. Raha mikasa ela loatra ianao, dia hanakivy anao ny tsy fahombiazana.
2. Mifidiana toerana
Ny fitadiavana ny toerana mety dia anisan’ny fanalahidin’ny fahombiazanao. Mangala toerana manokana ho an’ny fanoloran-tenanao isan’andro. Mifidiana seza ahazoanao mamaky tsara. Ankoatra izany, mila fotaovana samihafa enao: Baiboly, penina, diary, ary planina famakiana Baiboly isan’andro.
3. Mifidiana fandaharam-pamakiana ny Baiboly
Ny fisafidianana ny fandaharam-pamakiana Baiboly dia hanampy anao hanana fotoana mifantoka kokoa amin’ny famakiana sy fianarana, ary koa ny fahatakarana na ny fampiharana izay efa novakianao amin’ny fiainanao andavanandro.
Ny fitazonana ny fanoloran-tenanao no tena mafy indrindra. Manapa-hevitra ao am-ponao mba hijanona amin’ny lalana, na dia tsy mahavita na tsy mitandrina andro iray ianao. Mivavaha ary mangataha amin’Andriamanitra hanampy anao, dia tohizo indray ny ampitso. Ny valisoa azonao amin’izany dia ho lehibe tokoa.
4. Mifidiana rafitra
Eritrereto ny fomba tianao hanamboarina ny fotoananao ka mametra rafitra. Io ny fandaharam-potoana amin’ny fihaonanao amin’Andriamanitra, noho izany dia tsy tokony lanina amin’ny zavatra tsy misy dikany.
Ny zavatra rehetra ao anatintsika dia miady manohitra an’izany: ny hakamoana, ny torimaso, ny hazakaza-davan’ny fiainana. Tokony hotadidintsika fa manao izany isika ho tombontsoan’ny fanahintsika. Ireto ny zavatra tokony hampidirina:
A. Vavaka
Mivavaha alohan’ny hamakiana ny Teny. Mivavaha aorian’ny famakianao mba hisaotra Azy noho ny zavatra nampianariny anao amin’ny fotoana laninao miaraka Aminy.
Ametraho rafitra ny vavaka ataonao. Mampiasà kahie anaoratana ny antom-bavakakao mba hahafahanao mivavaka tsy tapaka sy amim-pahamalinana ho an’ireo zavatra tokony hivavahanao.
B. Hira
Andriamanitra no namorona antsika mba hidera Azy. Afaka maneho fiderana mangina ianao na manambara izany amin’ny feo mafy. Azonao atao ny mampiditra hira fivavahana ao anatin’ny fotoam-pivavahanao. Ny soa hafa amin’ny fihirana dia ny hanampy anao hifoha sy ho mailo.
D. Vakiteny
Araka ny fandaharam-pamakiana Baiboly.
E. Fitazomana lesona an-tsoratra
Ny sasany amintsika tia manoratra, ny sasany tsia. Na dia tsy misy afa-tsy teny vitsy kely fotsiny ihany aza, ny soratra dia manampy amin’ny fitarihana ny eritreritrao sy ny fahatsiarovana an’izany.
Hotohizana amin’ny tapany faharoan’ity lahatsoratra ity ny ohatra ana fotoam-pandinihana Baiboly isa-maraina.
Pingback: Manokana fotoana ho an’Andriamanitra (2) – Fiangonana Batista Biblika Ankadivato