Daty manan-tantara ho an’i Malagasy ny Alahady 30 Jiona 2019, raha toa ka nandresy ny ekipa kalazan’i Nizeria tamin’ny isa 2-0 ny Barea, dia ny ekipam-pirenena malagasy, hany ka tafakatra tamin’ny ampahavalon-dalana ao anatin’ny fiodinana famaranana ny Fifaninana izay ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ny baolina kitra (CAN), andiany 2019, izay tanterahina any Egypta.
Iaraha-manaiky sady iaraha-nahita fa tsy ny mpankafy fanatanjahan-tena ihany tsy akory no voakasik’izany fandresena miezinezina izany, fa ny malagasy tsy vaky volo. Ny fijerena fahitalavitra no nampiray ny mponina eran’ny nosy tamin’io Alahady hariva alina io, ka raha vao nifarana ny lalao dia nidina an-dalambe ramalagasy, na ny eto an-tanan-dehibe, na ny any ambanivohitra, na ny eto an’ivo-tany, na ny any amin’ny faritra, ka nibitabitaka, nisiotsioka, nampaneno kiriorioka, nanapoaka tsipoapoaka, ary, eny, nahita afomanga tsara tarehy tampoka teo aza!
Tetsy andanin’izany, naneho ny hafaliam-pony eran’ny tambanjotra sôsialy samihafa ireo Malagasy maro an’isa mampiasa izany. Niraradraraka ny « Misaotra ry zalahy! », sy ny « Mirehareha fa Malagasy! », fa indrindra ny « Alefa Barea! ». Niparitaka ihany koa ny kisarisary sy sariitatra samihafa. Notrongisin’ny aombin’i Gasikara tokoa ny voromaherin’i Nizeria! Iza no mba nihevitra fa hitranga izany indray andro? Faly, ary tena fifaliana tsy OMBY tratra tompoko ô! Mba nahazo ny anjara masoandrony ramalagasy efa trotraky ny adim-piainana isan’andro.

Tsikaritra tao anatin’izany fa maro tamin’ireo mpivavaka kristiana no naneho ny tao am-pony. Tao ireo naneho fisaorana sy fankasitrana ny Tompo lehibe, noho ny fandresena azon’ny Barea-ntsika. Fa tao ihany koa ireo nitanisa Soratra Masina izay heveriny fa mifanitsy amin’ny zava-misy.
Tsy vitsy ny olona nizara ny Nomery 23:22, izay milaza hoe, « Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga ». Mazava loatra ny fifandrifiana tiana ahatongavana, fa Andriamanitra izany no manome hery ny ombimanga (dia ny Barea!) raha mitolona any Egypta izy (toerana izay anatanterahana ny CAN, andiany 2019). Ny Barea mihitsy izany no ekipa voafidin’Andriamanitra!

Raha misy fampiasana amin’ny tsy izy ny Soratra Masina, dia ohatra maneho izany indrindra io fampiasana ny Nomery 23:22 amin’ny Barea io. Tsy noheverina akory ny toerana misy ny teny ao amin’ny Baiboly, satria tsy ny CAN atrehin’ny Barea any Egypta amin’izao fotoana izao akory no resahin’io teny io, fa ny fanandevozana tany Egypta, izay nanavotan’Andriamanitra ny Zanak’Israely tamin-kery lehibe (herin’Andriamanitra, izay miseho an-tsary amin’ny alalan’ny tandroky ny omby dia).
Mety hoe mampihomehy antsika ihany ny fampiasana amin’ny tsy izy ny Soratra Masina tahaka izany (sy ny hafa ihany koa), saingy nitarika ahy hihevitra lalindalina kokoa anefa izany.
Mivavaka mba handresy ny Barea?
Maro amintsika mantsy ny mahavatra mitolona am-bavaka manokana ho an’ny ekipam-pirenentsika isaky ny miatrika ny lalao izy, ary izany aza dia manomboka amin’ny sasany amin’ireo mpilalao eo ambonin’ny kianja. Mivavaka isika, mba homen’Andriamanitra ny fandresena ny Malagasy sy ny Barea (na, fara-faharatsiny, mba tsy ho resy!), ary dia feno fisaorana tokoa rehefa tanteraka izany.
Dia manontany tena aho hoe, moa ve misy idiran’Andriamanitra sy ny fivavahana amin’ny lalao baolina kitra toy ireny tokoa?
Eny, misy tokoa… kanefa tsy araka ny eritreretin’ny maro!
Tsy mpiandany na mpanohana ekipam-pirenena Andriamanitra
Andriamanitra mantsy tsy mba olombelona tahaka antsika, ka hiandany manokana amina ekipam-pirenena iray, na Barea io na hafa. Tsy mpanohana, na mpankafy baolina kitra Izy! Ary fantatsika ihany koa, fa araka ny Baiboly dia mihaino sady mamaly ny fivavaky ny olo-marina Andriamanitra, ary ny olo-marina rahateo no iandaniany (vakio, ohatra, Jaona 9:31; Jakoba 5:16-18). Koa inona tokoa àry re no hitranga, raha toa ka mifanandrina ny ekipam-pirenena roa, ka samy misy olo-marina, izay samy manana ny Tompo, mivavaka ho an’ny fandresen’ny ekipany avy? Hihaino ny zanak’Andriamanitra mpanohana ny Barea ve Andriamanitra, ka hanome ny fandresena ho an’ny Barea, sa kosa hihaino ny zanak’Andriamanitra mpomba ny ekipa izay mifanandrina amin’ny Barea, ka hanolotra ny fandresena ho an’izany ekipa izany? Sa ve, sanatria, hisy vavaka roa « mifanandrina » (tahaka ny lalao eo amin’ny kianja!) eo anatrehan’Andriamanitra , ka izay mahery mivavaka kokoa no hibata ny fandresena? Hadalàna tsy roa aman-tany izany, ry kristiana namako!
Koa ity misy fahamarinana izay mety hankarary ny fontsika kristiana mpanohana ny Barea (izaho ihany koa mba anisan’ny mpanohana), saingy fahamarinana tsy maintsy hambara amintsika, dia ny hoe, tsy mpiandany na mpanohana ny ekipan’ny Barea akory Andriamanitra, sady tsy mpanohana ekipa hafa rahateo ihany koa Izy.
Ary ampiako hoe: tsy mpiandany amin’ny Malagasy manokana akory Andriamanitra! Tsy ny Malagasy no vahoaka voafidin’Andriamanitra, fa ny mpino rehetra maneran-tany izay novidian’i Jesosy Kristy tamin’ny rany sarobidy (jereo 1Petera 1:9; Apokalipsy 5:9, 10).
Mazava izay.
Izay mavesatra ao am-pon’Andriamanitra
Tsy tanjona sy planin’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny resaka baolina kitra, na ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena hafa. Tsy zavatra toy izany no mavesatra ao am-pon’Andriamanitra! Hevero tsara, fa raha nampianatra ny mpianany mba hivavaka Jesosy Tompo, dia nanomboka tamin’ny hoe:
Hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra »
Ny Baiboly, Matio 6:9-10
Raha misy zavatra mavesatra ao am-pon’Andriamanitra, ka tokony havesatra ao am-pon’ny kristiana rehetra ihany koa, sady hanainga sy hitarika ny fivavahana ataony, dia ny fanjakan’Andriamanitra izany. Ny tanjona sy ny planin’Andriamanitra dia ny fanorenany ny fanjakany mandrakizay, ary amin’ny fiandrianany tanteraka dia mitondra ny Tantara ho amin’ny fahatanterahan’izany fanorenany ny fanjakany izany Izy. Efa nomeny ny Zanany lahy tokana, dia Jesosy Kristy, izay voavono, ka ny rany no nanavotany, ho an’Andriamanitra, « olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra » izay nataony « fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika » (Apokalipsy 5:9, 10). Izany, ry kristiana namako, no mavesatra ao am-pon’Andriamanitra, ary tokony hilahatra amin’izany sy hitaratra izany avokoa ny vavaka rehetra izay asandratsika aminy.
Mivavaha ho an’ny Barea… saingy araka ny sitrapon’Andriamanitra
Koa raha hivavaka ho an’ny Barea ary isika, dia aoka hivavaka tokoa, saingy hivavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany rahateo no tenin’i Jaona hoe:
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy »
Ny Baiboly, 1Jaona 5:14
Ry Kristiana namako, raha hivavaka ho an’ny Barea isika, dia aoka tsy hivavaka mba hivoaka mpandresy amin’ny lalao, na mba hibata ny amboara ny Barea, satria tsy nampanantena izany velively Andriamanitra, ary tsy izany rahateo no planina mavesa-danja ao am-pon’Andriamanitra, koa tsy izany ihany koa no faniriana tokony hanosika antsika hangataka sy hitalaho amin’Andriamanitra.
Fa raha hivavaka ho an’ny Barea isika, dia aoka mba hivavaka mba hisandratra ny voninahitr’Andriamanitra ao anatin’ny lalao izay atrehiny, ka raha misy kristiana, izay efa manana ny Tompo tokoa, ao anatin’izany ekipa izany (sy ny ekipa mifanandrina aminy), dia hampiharihary amin’ny fisainany, amin’ny fiteniny sy amin’ny fitondrantenany ny filazantsaran’i Jesosy Kristy izy (Filipiana 1:27), dia ny fiainana ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mba hanao ny zavatra rehetra tahaka ny ho an’ny Tompo izy, fa tsy ho an’olona (Kolosiana 3:23), ka hanao ny voninahitry ny Tompo sy ny fankatoavana Azy ho lohalaharana amin’ny zavatra rehetra (1Korintiana 10:31). Mba ho jiro sy fanasina eo anivon’ireo mpiara-milalao aminy sy ireo mifanandrina aminy anie ny mpilalao kristiana rehetra (Matio 5:13-14).
Raha hivavaka ho an’ny Barea isika, dia aoka ihany koa hivavaka mba hiasa ny zavatra rehetra Andriamanitra, ka izao fifaninanana iraisam-pirenena izao anie ho sehatra hahazoan’ireo zanak’Andriamanitra mitory ny famonjena ao amin’i Kristy irery ihany, ka hisy ireo mpilalao sy mpanohana kristiana, izay efa manana ny Tompo tokoa, ho sahy hitory am-pahendrena ny finoany amin’ireo Silamo izay mameno an’i Egypta, sy amin’ireo tsy mpino rehetra, na ny mpilalao na ny mpanohana avy amin’ny firenena rehetra. Mba ho varavarana misokatra ho an’ny filazantsara tokoa anie izao fifaninanana iraisam-pirenena izao (Kolosiana 4:2-6)!
Eny, misy idiran’Andriamanitra sy ny fivavahana tokoa amin’izao fifaninanana iraisam-pirenena izao, saingy tsy araka ny fiheveran’ny maro! Koa aoka ary isika kristiana hivavaka ho an’ny Barea, kanefa mihoatra izany, hahay hivavaka ho an’ny Barea, ka hivavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny tanjony sy ny planiny mandrakizay izay mifantoka amin’ny fanorenany ny fanjakany.
« ALEFA BAREA », kanefa mialoha izany, « SOLI DEO GLORIA » (Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra).
Hoy: Kristiana manana ny Tompo… sady mpanohana ny Barea.