Manoloana ny tsimokaretina SARS-CoV-2 izay mikasika firenena maherin’ny 190 dia izao ny zavatra azo antoka: voatery nanisy fanitsiana ny fomba fiaina andavanandro isika ary tsy hitovy amin’ny teo aloha intsony, farafahakeliny ho an’ny taranaka ankehitriny. Toa mampanahy ihany ny misaina sahady ny ho vokatr’izao loza manerantany izao, raha toa ka mbola ao anatiny mihitsy isika, saingy tsinjontsika rehetra an-tsaina fotsiny hoe, hahatsiravina izany, na eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, na ho an’ny olona tsirairay avy.
Saintsaino ireo fiantraikan’izany eo amin’ny toe-karena maneran-tany, ny fizahan-tany, ny fiahiana ara-pahasalamana, ny fitaterana, ny fenitra ara-tsakafo, ny fifandraisan’ny governemanta, sns. Diniho ihany koa ny fiantraikan’izany amin’ny tenanao sy amiko. Ny sasany efa tsapa sahady, toy ny famoizana ny namana na ny mpianakavy, fa eo koa ny vesatra ara-bola mianjady amin’ireo izay miankina amin’ny varotra manerantany na amin’ny fidiran’ny mpizahatany, mbamin’ny vokatr’izany amin’ny hoavintsika. Ny firafitry ny fifaneraserana ara-piaraha-monina dia hiova ary mety hitombo any am-pontsika any ny fitsaràna ivelany mitarika fanilikilihana, manoloana ireo foko sasany ohatra.
Fa izao vanim-potoana tsy ahazoana antoka na inona inona izao ihany koa no fotoana mety indrindra hanaovana tombatombana ireo fahazarana misy, sy hametrahana na hampivoarana fahazarana vaovao. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo fialam-bolintsika marobe sy ny sahan’asa fanaontsika lasa voatohintohina, dia manana fotoana bebe kokoa noho ny mahazatra mihitsy isika handinihana tena.
Koa satria maro amintsika no tratry ny famerana tsy hivoaka ny trano, na fandraràna samihafa mitovy amin’izany, dia misy fomba maro ahafahantsika manonitra ao an-tokantrano ao ny fotoana very noho ny fipariahan’ny valan’aretina, amin’ ny alalan’ny fananganana na fanamafisana eo anivon’ny fianakaviana fahazarana araka an’Andriamanitra, ary koa ny fifantohana amin’ny hafa.
Fanapahana ireo fahazaran-dratsy
Mazava ho azy fa tsy hoe, afa-bela amin’ny fakam-panahy akory isika izao. Mbola be dia be ny fahalotoana misy izay tsy lavitra ny vohon-tanantsika, fa miely amin’ny alàlan’ny finday na ny milina fanoratry ny solosaina. Saingy ny fijanonana ao an-trano dia mampiraikitra antsika amin’ny fialam-boly sy ny fiainam-piarahamonina ara-tsosialy. Manontania tena hoe: « Inona no tena hitako tsy ampy amiko amin’izao, kanefa tsy maintsy ho ato an-trano foana aho izao? » Ny valiny dia hanondro ireo zavatra manan-danja eo imasontsika. Ny sasany dia mety ho ara-dalàna sy araka an’Andriamanitra, fa mety misy zavatra hafa efa mahazatra antsika izay mitarika ho amin’ny tsy fahalavorariana.
Izao no fotoana tokony handinihana sy hanesorana ireo zavatra tsy ilaina akory kanefa nibahana ny saintsika sy ny fandaharam-potoanantsika. Izao no fotoana hamongorana ny mahadomelina sy ny lozabe ateraky ny nofo. Izao no fotoana hametrahana fomba fampiasana ireo ora omen’ny Tompo antsika isan’andro, mba hitera-boka-tsoa kokoa. Ny hoe « handà » eto dia entina ilazana ny toky sy fanapahan-kevitra mafonja ary hentitra ny tsy hanaiky ho voasolitiky ny zavatra araka an’izao tontolo izao, na araka ny nofo. Ny fahasoavan’Andriamanitra tsinona dia tsy vitan’ny hoe manome antsika fahafahana tamin’ny fanandevozana ateraky ny ota, fa manome antsika fahafahana hitombo amin’ny fandavana ny ota ihany koa, ka noho izany dia manampy antsika tsy ho voataona ho amin’ny ota na ho resy manoloana izany.
Fametrahana fahazarana vaovao
Rehefa manaisotra ny asan’ny nofo isika, dia mila manolo izany amin’ny filofosana hamolavola fiainam-pahendrena. Ny manamarika ny kristiana dia ny fitomboany amin’ny fanahafana an’i Kristy hatrany hatrany, izay vokarin’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny iray amin’ireo vokatry ny fanovàn’ny Fanahy Masina ny ao anatintsika dia ny fifehezan-tena. Ka tsy fehezin’ny faniriantsika intsony isika, fa isika no mifehy azy ho folaka, ary hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny hoe « velona amin’ny onony » dia ny mitombo sy mizatra miaina am-pahendrena, am-pahamalinana sy mahay mandanjalanja, miaraka amin’ny toe-tsaina mifantoka amin’ny zavatra any ambony (Kolosiana 3: 1-2). Tsy ho tanteraka izany raha tsy manorina fifehezan-tena araka an’Andriamanitra, mifikitra amin’ny fitaovam-pahasoavana mahazatra – dia ny famakiana Baiboly sy ny vavaka. Koa satria manana fotoana bebe kokoa izao raha tsy mankany am-piasana, dia tokony ho afaka:
- Mandray teo amin’izay nijanonantsika, ka manohy indray ny vakitenin’ny Baiboly isan’andro manaraka ny drafi-pamakiana Baiboly izay nangalantsika fahanapahan-kevitra fa harahina tamin’ny taom-baovao
- Manokana fotoana amin’ny fandinihana lalindalina bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy mijanona amin’ny famakiana azy haingana fotsiny ihany toy izay mety nahazatra antsika
- Manokana fotoana bebe kokoa mivavaka ho an’ireo tratran’ny Covid-19, ho an’ny mpiasan’ny fahasalamàna maneran-tany, ho an’ny fiangonana sy ny evanjelistra, ho an’ny fianakaviantsika ara-panahy sy ara-nofo, ary ny namantsika, ho an’ny fijoroana vavolombelona manokan’ireo mpino eo anivon’ny krizy, ho an’ny vondron’olona manokana na foko izay mbola tsy nandre ny Filazantsara, ho an’ireo izay tsy mahalala ny Tompo, ho an’ny fiarahantsika miara-dalana Aminy, ary mihoatra izany!
- Manolo-tena hamaky boky iray miaraka amin’ny vadintsika na ny zanatsika
- Manaraka fampianarana maimaimpoana amin’ny aterineto, na mianatra io foto-pampianarana tiantsika alalinina io, kanefa tsy nahitantsika fotoana nanaovana mihitsy.
- Manao fotoam-pivavahana isa-maraina sy isa-kariva.
- Mihaino toriteny manamafy orina sy mampitombo.
Azo antoka fa misy fomba hafa azontsika ampiasana tsaratsara kokoa ny fotoantsika sy ny atidohantsika noho ny fijerevana sary fampiomehezana sy ny fanaraham-baovao ao anatin’ny Facebook ao mandritra ny tontolo andro!
Fiantrana
Noforonin’Andriamanitra mba hiombona amin’ny hafa isika. Ny famonjem-pahasoavany feno hatsaram-panahy dia vao mainka nanamafy izany fiantsoana izany amin’ny fametrahany antsika ho ao anatin’ny firaisamben’ny mpino, ary mahatonga antsika ho mponin’ny lanitra (Efesiana 2:19-22). Na izany aza, ny toetrantsika feno ota sy fitiavan-tena dia mbola manajamba antsika hatrany tsy hahatsapa na hieritreritra ny filan’ny hafa. Mora amintsika ny mimonomonona sy mitaraina amin’ny zava-misy ankehitriny, hany ka tsy mahavita ny mihevitra sy mivavaka ny amin’ny fomba mety hampiasan’Andriamanitra antsika eo amin’ny fiainan’ny hafa isika. Marina fa voafetra ny fifandraisantsika mivantana amin’ny hafa manodidina antsika, saingy mbola afaka miantso azy isika, mbola afaka manoratra hafatra mba hanontany azy izay ilainy ara-panahy na ara-batana, mbola afaka mivavaka isika, ary mbola afaka mandefa vola amin’ireo tsy manana firy amin’ny alalan’ny finday.
Ireo izay te-hiaina araka “ny marina” dia ireo maniry ny hisolo tena ilay Andriamanitra marina eo amin’ny fiainan’ny mpiara-monina. Midika izany fa tsy hanangona ho an’ny tenantsika samirery ny entana rehetra hita ao amin’ny magazay lehibe isika. Midika izany fa tsy handika be fahatany ny lamina apetraky ny tompon’andraiki-panjakàna izay mety hampidi-doza ny hafa isika. Midika izany fa tsy handao ny fiaraha-miangona amin’ny hafa isika (Hebreo 10: 24-25), eny, fa na dia amin’ny alàlan’ny fampitàna ara-horonantsary aza izany (Livestream sy vidéoconference). Ny fiainana « araka an’Andriamanitra » dia mifantoka amin’ny fiainana manaraka ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fifandraisana amin’ny hafa. Ny tena asa fiantrana marina dia tsy ny ara-bola, fa ny fahavononana te hampiseho an’Andriamanitra ary mikatsaka ny mahasoa ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Fibanjinana
Hita taratra miharihary eo amin’ny olona miandry fatratra ny fiverenan’ny Tompony ny fifantohana, ny fahamalinana ary ny fahazotoana. Hiambina sy hivavaka isika (Matio 26:41) raha tena miandrandra ny fiverenan’ny Tompontsika. Ny fanantenantsika dia tsy ny fahitan’ny dokotera fanafody ho an’ny Covid-19, ary tsy ny fiverenan’ny fiainantsika amin’ny laoniny toy ny teo taloha – na dia eritreritra mendri-kaja aza izany. Fa ny fanantenantsika dia ny fiverenan’i Jesosy Kristy izay hanitsy ny ratsy rehetra, ary hamongotra tanteraka ny fahotana sy ny vokany rehetra. Resin-tahotra isika raha toa ka adinontsika ny fomba fiafaran’ny tantara. Mipenimpenina isika rehefa tsy mahatsiaro fa Andriamanitra dia mbola eo amin’ny seza fiandrianany ary manao araka izay sitrapony (Salamo 115: 3). Feno fanahiana isika rehefa miaina toy ny hoe, tsy hisy fiainam-pifaliana miandry antsika any an-koatra, ao amin’ny fanatrehany. Atrakao ny masonao ary afantohy amin’ilay Loharano sy Mpandavorary ny finoanao. Fomba ahoana no hametrahan’ny olon-kafa ny fitokiany amin’Andriamanitra raha mahita antsika matahotra ny toe-java-misy mihoatra noho izy isika?
Fanoloran-tena
Amin’ny maha mpino antsika dia maty ho antsika i Kristy mba hahafahantsika miaina ho Azy. Nosafidiana talohan’ny nanorenana izao tontolo izao isika mba ho tonga fanaka voadio hampiasain’Andriamanitra ho an’ny voninahiny. Tamin’ny fahasoavana, dia voavonjy hanao “asa tsara” isika. Ny asa ataontsika dia tsy mahavonjy antsika, fa ireny kosa no porofon’ny famonjena izay nividianana antsika. Manamarika ny kristiana ny hoe tokan-tsaina sy vonona izy ny ho mpidera sy ho vavolombelona mahatoky an’ilay Tokana nitady sy namonjy azy (Lioka 19:10). Enga anie hanamarika ny fiainantsika ny fanoloran-tena hamono ny ota. Enga anie mba ho fantatra amin’ny fitiavantsika manokana an’i Kristy sy ireo izay tsy manana Azy isika. Enga anie mba ho fanta-daza ho evanjelistra mafana fo isika, ary koa ho mpitolona mahery vaika amin’ny vavaka. Ary enga anie ireo izay mijery ny asa tsara ataontsika « hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro famangian’i Kristy. »(1 Petera 2:12)
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra!
