Fa maninona no Salamo 106:1 sy Asa 16:31?

Hatry ny fony fahakeliko no efa nahatsiarovako fa teo ambanin’ny masoko mandrakariva ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo, isaky ny miditra ao an-tranom-piangonana ao Ankadivato aho. Ary raha misy angamba andininy ao amin’ny Baiboly izay hain’ny mpiangona rehetra tsianjery, eny hatramin’ireo ankizy aza, dia ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo. Ary raha misy tenin’Andriamanitra izay mitsena ny mason’ireo mpitsidika ny fiangonana voalohany indrindra, dia ireo tenin’Andriamanitra roa ireo hatrany, izay mirantiranty eo ambonin’ny polipitra. Tsy afaka ny tsy ho hitanao mihitsy ireo teny roa ireo, raha miditra ao Ankadivato ianao.

Raha nanome ahy fotoana bebe kokoa hikarakarana ny tranonkalan’ny fiangonana ny vanim-potoan’ny fihibohana, dia tapa-kevitra aho ny hanova ny sary fandraisana ao amin’ny tranonkala mba hifanaraka amin’izay zavatra hitan’ny mason’ireo mpitsidika voalohany indrindra raha vao miditra ao an-tranom-piangonana izy, dia ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo izany. Noezahiko mba hifanakaiky amin’ny lokon’ny tena izy mihitsy aza ilay sary. Azonao jerena ato amin’ny pejy fandraisana ato ny fivoakany (sy ny maha samy hafa azy ihany koa… inona ary?).

Dia lasa saina aho nieritreritra hoe… fa maninona marina moa ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo, dia ny Salamo 106:1 sy ny Asa 16:31, no  nosafidiana ho tenin’Andriamanitra hifantohan’ny mason’ny mpiangona sy ny mpitsidika mandrakariva? Misy andininy maro hafa azo ho nosafidianana, izay mety ho mahazatra bebe kokoa, koa maninona ary no ireo andininy ireo no nosafidiana? Nikaroka tao anatin’ny tahirin-tsary taloha aho, ary tsikaritro fa taona maro lasa izay dia andininy hafa no teo amin’io toerana io, toa Jaona 3:16 raha ny fahitako azy, satria misy ampahany hoe: « … mba tsy ho very izay rehetra mino azy ». Kanefa na dia izany aza dia toa tsy mifankaiza amin’ny Asa 16:31 izay voasoratra ankehitriny izany andininy taloha izany (samy manindry ny fandraisana ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana).

« Tsy ho very izay rehetra mino azy »: jereo ny soratra eo ambonin’ny polipitra (ambony ankavia amin’ny sary).

Ary teo vao niverina tato an-tsaiko ny fanazavana nomen’i Pasitera Andrianavalona, tsy tadidiko intsony hoe oviana (mety ho tamin’izaho niroso hatao batisa angamba?), fa toy izao manaraka izao ilay izy:

Fiantsoana sy fanirahana

Ireo andininy roa ireo dia mampatsiahy antsika fiangonana izay niantsoan’Andriamanitra antsika (« vocation ») sy ny fanirahana nomeny antsika (« Mission »). Azontsika lazaina ihany koa fa mampatsiahy antsika ny antom-pisiantsika mandrakizay sy ny antom-pisiantsika eto an-tany ireo andininy roa ireo.

Ny niantsoan’Andriamanitra antsika (« Vocation »), izay antom-pisiantsika mandrakizay, dia ny FIDERANA Azy. « Miderà an’i Jehovah fa tsara Izy » (Salamo 106:1). Ny namoronany antsika (Isaia 43:7), sy ny namonjeny antsika, dia mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany (Efesiana 1:6, 12, 14).

Ny anirahan’Andriamanitra antsika kosa (« Mission »), izay antom-pisiantsika eto an-tany, dia ny FITORIANA ny asany lehibe amin’ny fokom-pirenena rehetra, indrindra fa ny famonjena izay ao amin’i Jesosy Kristy. « Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » (Asa 16:31): izany no vontoatin-kafatra tiantsika ampitaina amin’izao tontolo izao. Mazava tsara ny asa fanirahana lehibe izay nomen’i Jesosy hotanterahin’ny fiangonany (Matio 28:18-20), izay antony lehibe tsy mbola nampiakarany antsika any an-danitra ankehitriny, ka tokony hilofosantsika mafy mandritra ny fe-potoana fohy ivahinianantsika eto an-tany.

Feno fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ny foko, raha nitamberina tao an-tsaiko izany fanazavana izany. Tena misy lanjany be tokoa ny fananana ireo andinin-tSoratra Masina roa ireo ho eo ambanin’ny maso mandrakariva, isaky ny miditra ao an-tranom-piangonana isika, hampahatsiaro antsika hatrany hatrany, mbamin’ireo taranaka rehetra mbola hifandimby ihany koa (raha tsy mbola miverina ny Tompo), ny niantsoan’Andriamanitra antsika sy izay anirahany antsika, amin’ny maha fiangonana fiombonan’ny olona masina antsika, dia ny fiderana sy ny fitoriana. Mahafoaka azy roa ireo indray miaraka ny 1Petera 2:9, izay manao hoe: « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. » Ny fananana vina ara-tSoratra Masina mazava toy izany no miaro antsika tsy hihataka amin’izay zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana, ka tonga hamaritra sy hitarika ny asa fanompoana rehetra izay tanterahintsika.

Isaorana ny Tompo noho ny fahendrena lehibe nomeny ireo raiamandreny hisafidy ny Salamo 106:1 sy ny Asa 16:31.