Haleloia. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho,
Eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Lehibe ny asan’i Jehovah, Ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy.
Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.
Ny herin’ny asany nasehony tamin’ny olony. Tamin’ny nanomezany azy ny lovan’ny jentilisa.
Ny asan’ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Manatitra fanavotana ho an’ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy;
Masina sy mahatahotra ny anarany.
Asa ianareo fa faly loatra ny foko ny alahady teo raha niaina indray ny fanompoam-pivavahana tokana niaraka tamin’ny mpianankavin’ny finoana indray tao Ankadivato.
Ary io Salamo 111 izay nobanjinina nandritra ny fotoam-piderana io indrindra no mamehy azy sy manazava ny anton’ny fiderana sy ny fifaliana nameno ny fo.
Jereo anie ny santionan’ny fifalian’ny mpirahalahy mifankahita hita amin’ny sary e 😊
Tongava hatrany ary hiara-miangona isak’alahady amin’ny valo ka hatramin’ny folo maraina e.
Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.