Batista ?

Batista hoe? Inona izany fiangonana izany? Tsy sekta ve izany? Sa karazana « Fiangonana zandriny »?

Izany matetika no fanontaniana apetraky ny olona eto Madagasikara rehefa maheno ny anaram-piangonana hoe Batista. 

Ny zava misy anefa dia isan’ireo firehana protestanta lehibe indrindra eran-tany ny fileovana batista. Betsaka ireo fiangonana ireo, indrindra fa any amin’ny tany miteny anglisy izay mazàna mirona kokoa amin’ny protestantisma.

Ara-tantara dia isan’ireo sampana lehibe izay manana ny refôrmasiôna tamin’ny taonjato faha-XVI ho loharanony nipoirany ny Batista, kanefa maneho ihany koa ny tantaran’ny fiangonana manontolo fa hatramin’izay dia nisy hatrany ireo vondrona ara-pivavahana izay nitana ireo foto-pinoana samihafa izay mampiavaka ny Batista.

Ny nipoirany

Ny mpialoha lalana azy: ireo Anabatista 

Raha tamin’ny taona 1517 no eken’ny maro ho fanombohan’ny refôrmasiôna izay notarihan’i Martin Luther tany Alemana, dia tamin’ny taona 1525 kosa no efa nipoitra sahady ireo antsoina hoe Anabatista voalohany, tany Soisa sy Alemana ny ankamaroany, izay maro karazana kanefa miombona tanjona ankapobeny, dia ny hahatanteraka ny refôrmasiôna hatrany am-potony – dia ny fiverenana amin’izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fiangonana sy ny sakramenta. 

Raha toa ka mbola nitana ny fampifandraisana ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana ireo mpitarika ny refôrmasiôna ngezalahy (Luther, Zwingli, Calvin) dia nino sady nampihatra ny fisarahan’izany tanteraka kosa ireo Anabatista, hany ka niala tamin’ireo fiangonan-dehibe izy ka nanangana vondrom-pivavahana mahaleo tena samihafa. Noho izany, nomena solon’anarana hoe « mpisintaka » sy « tsy miankina » izy ireo, ary niharan’ny fanenjehana mafy, tsy avy tamin’ny fiangonana Katôlika ihany, fa avy tamin’ireo sampana protestanta lehibe ihany koa.

Fa tetsy andanin’izany fampisarahana tanteraka ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana izany, dia nampiavaka ny Anabatista ihany koa ny famaritana ny olona izay tokony handrafitra ny fikambanana (na maha mambra) ao amin’ny fiangonana an-toerana isanisany, ka ireo mpino izay efa teraka indray ihany no nataony batisa amin’ny rano ka noraisiny ho mpikambana eo anivon’ny fiangonana an-toerana.

→ Io foto-kevitra io indrindra no eo am-pototry ny finoana batista sy ara-pilazantsara ankapobeny taty aoriana, ka mampiavaka azy amin’ireo firehana protestanta lehibe hafa (toy ny Presbyteriana, Loterana, Anglikana, Metodista, sns.).

Nitondra an’ireo Anabatista hiverina amin’ny fomba fanaovam-batisa izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao izany foto-kevitra izany, ka ireo izay mibebaka ka mino ny filazantsara ihany no nataony batisa asitrika anatin’ny rano, rehefa mangataka izany ka nohadihadiana tsara, mba hanehoany ampahibemaso ny finoany manokana an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Io fanaovam-batisa mifanaraka amin’ny Baiboly io ihany no nekeny ho batisa manan-kery, ary nolaviny tanteraka noho izany ny fanaovam-batisa ny zazakely.

Ny fiorenany: ireo « mpisintaka » anglisy tany Hollande

John Smyth. Loharanon-tsary: www.christianitytoday.com

Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-XVII, dia nisintaka tamin’ny fiangonana anglikana tamin’izany ny mpitondra fivavahana anglisy iray, antsoina hoe John Smyth, noho ny fandresen-dahany ara-pivavahana mifanaraka tamin’ny an’ireo « puritains » sy ireo fiangonana tsy miankina tamin’ny fiangonan-dehibe tamin’izany. Noho ny fanenjehana tany Angletera dia nifindra monina tany Amsterdam (Hollande) izy, toerana izay fantany fa malalaka ny fivavahana sady efa maro mpisintaka rahateo. Teo am-pototry ny finoan’i John Smyth ny fametrahana ny Baiboly ho hany fahefana amin’ny finoana sy ny fampianarana ary ny fitondrantena, ary koa ny fandresen-dahatra ny amin’ny batisan’ny mino ihany, tahaka ny finoan’ireo Anabatista tamin’ny taonjato faha-XVI. 

Tamin’ny taona 1609 no neken’ny maro fa nanorina fiangonana tsy miankina tany Amsterdam i John Smyth, ka ireo no voalohany fantatra sy nantsoina tamin’ny anarana hoe « Batista ». 

Ny fielezany eran-tany

Raha tany Amsterdam no nahitana an’ireo Batista voalohany, dia tsy ela taorian’izay no niely tany Eoropa sahady ireo vondrona batista samihafa (tsy fiangonam-be iray akory ny Batista, fa mahaleo tena ny fiangonana an-toerana isanisany amin’ny fitondram-piangonana, amin’ny fampianarana, sy amin’ny fampiasàny ny vola amam-pananany).

Tany Angletera no niorina ihany koa ireo Batista izay nitana ny foto-pinoana protestanta kalvinista, ary nihanatanjaka indrindra ireo ka tamin’ny 1689 dia nisy ny fivoriambe izay nipoiran’ny fanekem-pinoana Batista antsoina hoe Second London Baptist Confession. Niaraka tamin’izany ny famoahana ny katesisma batista (izay saika mitovy tanteraka amin’ny Westminster Catechism ho an’ny firehana Réformé, ankoatra ana teboka vitsivitsy, indrindra fa momba ny batisa). Ireo Batista kalvinista ireo no antsoina hoe « Baptistes particuliers ». Ireo izay tsy miandany tamin’ny foto-pinoana kalvinista kosa dia antsoina hoe « Baptistes généraux » na « Baptistes traditionnels ».

→ Ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato dia mitana ny foto-pinoana protestanta kalvinista. Tsy manakana azy tsy hanana firahalahiana sy fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana Batista tradisiônalista anefa izany.

Tany Etazonia kosa no tena nihanaka be ny finoana batista, vokatry ny fifindra-monina mba hanjanaka ny « Tany Vaovao » tamin’izany, ka ireo protestanta « mpisintaka » (ny « puritains », ary tsy vitsy tamin’ireo no Batista) no tena maro an’isa tamin’izany. Ankehitriny dia ny Batista no fikambanam-piangonana protestanta sy ara-pilazantsara lehibe indrindra any Etazonia, ary ny fandresen-dahatr’ireo Batista rahateo no nihavian’ireo foto-kevitra lehibe izay ijoroan’izany firenena izany, toy ny fisarahan’ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana, ny fahalalahana ara-pivavahana ary ny fahalalahana ara-tsaina.

Iza ireo Batista fanta-daza?

Sasantsasany amin’ireo Batista mety ho fanta-daza eran-tany:

Ary ny eto Madagasikara?

Tsy fiangonana vao teraka omaly, na koa nisintaka avy tamin’ireo finoana protestanta efa nisy teto ireo Batista eto Madagasikara. Efa tamin’ny taona 1932 no niorina ny fiangonana voalohany izay nanana firehana batista teto Madagasikara (ny « Mission Bibique de Madagascar »). Noho izany, dia tsy azo sokajiana ho isan’ny fiangonana zandriny araka izay famaritan’ny olona azy ny fiangonana Batista (fisokajiana izay marihina fa eto Madagasikara ihany no misy izany). Tena fiangonana ara-tantara ny fiangonana Batista, ary lohalaharan’ny firehana ara-pilazantsara ihany koa izy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hoe « ortodoksia » amin’ny finoana protestanta ny firehana batista. Jereo ny tantaranay eto Madagasikara.

Ankehitriny dia maro ireo vondrom-piangonana Batista misy eto Madagasikara (ohatra: ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, ny Fiangonana Batista Finoana, ny Fiangonana Batista Evangélique, sns.). Tsy vitsy ihany koa ireo vondrom-pivavahana mahaleo tena izay manana fototra batista (tahaka ny CEIM Madagascar).

Ny maha Batista ny Batista

Ara-tantara, dia misy foto-kevitra maromaro izay manamarika manokana ny firehana Batista, ankoatr’ireo foto-pinoana lehibe izay iombonany amin’ireo fireham-pinoana kristiana hafa, toy ny finoana an’Andriamanitra Telo Izay Iray (na Trinite), ny maha Lohan’ny Fiangonana an’i Jesosy Kristy sy ny maha Tenin’Andriamanitra manam-pahefana fara-tampony ny Baiboly. Fa ireto ary misy hevi-dehibe fito izay heverina fa maha Batista ny Batista:

1. Mampihatra mivantana ny fahefany amin’ny fiangonany Jesosy Kristy

Mampihatra mivantana ny fahefany amin’ny mpino isam-batan’olona sy ny fiangonana an-toerana Jesosy Kristy, ary izany dia amin’ny alalan’ny teniny voasoratra. Tsy misy rafim-pahefana hafa eo ambonin’ny fiangonana an-toerana isanisany izay anolorany izany fahefany izany. Noho izany dia fikambanana mizaka tena mandrakariva ny fiangonana an-toerana, na dia eo aza ny firahalahiana sy fiaraha-miasa eo amin’ny samy fiangonana an-toerana.

2. Kristiana teraka indray no mandrafitra ny fiangonana an-toerana

Ny fiangonan’Andriamanitra dia ny fitambaran’ireo navotan’i Jesosy Kristy sy nateraky ny Fanahy Masina. Ny fiangonana an-toerana dia ny fanehoana hita maso ny fiangonan’Andriamanitra maneran-tany eo amin’ny faritra na toerana iray voafaritra tsara, izay itoriana sy itandremana ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany dia ny mpino efa teraka indray, ary ireo ihany, no raisina ho mpikambana mandrafitra ny fiangonana an-toerana.

3. Ny mino ihany no atao batisa, ary asitrika anatin’ny rano

Ny fanaovam-batisa dia fankatoavana ny didin’ny Tompo, ary famantarana ivelany ny fibebahana, ny finoana sy ny fanavaozana ho olom-baovao. Asitrika tanteraka anatin’ny rano ny mpino atao batisa, izay tanterahina amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

4. Kôngregasiônalisma no rafi-pitondram-piangonana

Ny mpino mpikambana tsirairay avy dia manana andraikitra feno amin’ny fampandehanana ny fiainam-piangonana, ka ny fivorian’ny mpikambana, eo ambanin’ny fanapahana mivantan’i Jesosy Kristy sy ny fahefan’ny tenin’Andriamanitra no tompon-teny farany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra. Ny mpikambana no mifidy sy manendry ireo mpanompon’Andriamanitra eo anivony, toy ny loholona (mpitondra fiangonana) sy ny diakona (mpanompo).

5. Mpisoron’Andriamanitra avokoa ny mpino rehetra

Manana fanatonana malalaka an’i Jesosy Kristy avokoa ny mpino rehetra, ka tsy misy ny fifanavahan’ny mpitondra fivavahana (« klerjy ») sy ny olon-tsotra (« laïka »). Mahakasika ny fiderana, ny fivavahana, ny fanompoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy izany maha mpisoron’Andriamanitra ny mpino rehetra izany.

6. Hajaina ny fahalalahana ara-tsaina sy ara-pivavahana

Malalaka amin’ny fieritreretany ny olona tsirairay avy, hany ka tsy misy mahazo manery azy ny amin’izay inoany. Ho an’ny mpino manokana dia midika izany fa manana fahalalahana ny hivaofy ny hevitry ny Soratra Masina araka izay hitsiny izy, ka hitondra tena mifanaraka amin’ny fieritreretany.

7. Misaraka tanteraka ny fitondram-panjakana sy ny fitondram-piangonana

Tsy mitovy na amin’ny toetrany na amin’ny asany ny fitondram-piangonana sy ny fitondram-panjakana, izay rafitra samy naorin’Andriamanitra avokoa. Ny fitondram-panjakana dia mahakasika ny firenena sy ny fiaraha-monina ankapobeny, fa ny fitondram-piangonana kosa dia mahakasika ny fikambanan’ny mpino isan-toerana. Raha mifantoka amin’ny fampanjakana ny rariny, sy ny filaminana, ary ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-piaraha-monina ny fanjakana, dia mifofotra amin’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fampandrosoana ara-panahy ny mpino kosa ny fiangonana, kanefa tsy manadino ny hanao soa amin’ny olona rehetra.

o O o

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra

Ny Baiboly, 2Timoty 1:8