Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany
Ny Baiboly, Asa 20:28
Kôngregasionalisma
Tahaka ny Fiangonana manaraka ny fileovana batista rehetra, dia mitana ny rafi-pitondrana kôngregasionalista ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato, izany hoe ny fivorian’ny mpikambana, eo ambanin’ny fitarihan’ny Loholona, no mandray ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny raharaha sy ny fiainan’ny fiangonana. Tsy misy rafitra ivelany (tahaka ny hoe synoda, birao, na foibe) izay eo ambonin’ny fiangonana an-toerana ka mety hanana fahefana aminy. Mahaleo tena tanteraka ara-pitondrana, ara-pampianarana ary ara-bola ny fiangonana.
Fitondram-piangonana
Ny Filankevitry ny Loholona no misahana ny fitondram-piangonana, ka miara-miandraikitra ny fiandrasana ny ondry sy ny fitantanana ny tranon’Andriamanitra. Ny fivorian’ny mpikambana ihany no manendry ireo mpitandrina sy loholona hiasa eo anivony. Ankehitriny, dia mpitandrina matihanina iray sy loholona fito no mandrafitra ny Filankevitry ny Loholona.
Nanomboka tamin’ny Janoary 2018 dia Haja Ralambomanana no mpitandrina matihanina eo anivon’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato.
