Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany
Ny Baiboly, Hebreo 13:7
Ny vanim-potoan’ny Mission Biblique
Ny misionera mpanorina

Mr. Brinley R. Evans mivady no Misionera nanorina ny Mission Biblique de Madagascar izay nitondra ny anarana hoe: Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, tatỳ aoriana. Tamin’ny volana Jona 1927 no tonga voalohany teto Madagasikara izy, ary niasa nandritra ny roa taona sy tapany teo ambany fiadidian’ny LMS (London Missionary Society) tao Ambohimanga. Niverina tany Angletera izy tamin’ny volana Desambra 1929. Nandritry ny fijanonany tao Londres tamin’ny taona 1930 no nanaovana batisa asitrika anaty rano an’i Mr. B. R. Evans. Nankany Frantsa izy mivady tamin’ny faramparan’iny taona iny, ary nijanona tao volana maromaro. Ny fiangonana batista frantsay tao Nîmes notarihin’i Pasteur Robert Dubarry, izay isan’ny Association Evangélique des Eglises Baptistes de Langue Française, no nandray azy, ary nanomboka tamin’izany dia anisan’ny nanohana azy mivady na tamin’ny vavaka na tamin’ny asa sy ny fanomezana samihafa, mbamin’ireo fiangonana rahavavy frantsay, belza, sy soisa izay miray fileovana amin’ny Association.
Raha mbola tao Frantsa anefa izy, tamin’ny volana Marsa 1931, dia nahatsapa marina fa tsy maintsy miverina atỳ Madagasikara, mitoky amin’ny Tompo irery ihany ny amin’ny fiantohana izay mety hilaina rehetra (Matio 6:33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.). Niverina kely tany Angletera izy, ka niondrana an-tsambo hitodi-doha ho atỳ Madagasikara tamin’ny volana Novambra 1931, nomban’ny fivavahan’ny kristiana tany Angletera sy Frantsa. Nandalo tany Afrika Atsimo, Maorisy, ary La Réunion izy aloha, vao tody soa aman-tsara teto amin’ny nosy tamin’ny volana Janoary 1932.
Ny fanombohan’ny « Mission Biblique de Madagascar »

Nanofa trano tao Ampandrana Andrefana ny misionera, ary nanao fangatahaka ka nahazo alalana avy amin’ny fanjakana hanomboka fivoriana an-trano, tamin’ny volana Jona 1932. Lehilahy iray ihany no tonga nanatrika ny fotoana voalohany tamin’ny marainan’ny Alahady 19 Jona. Ny tolakandro kosa dia nisy folo. Tamin’ny volana Oktobra tamin’iny taona iny, dia nisy 12 eo ho eo no niova fo ary nanjary mpandray tao amin’ny Mission Biblique. Nanjary tery loatra ny trano fivoriana tao Ampandrana tamin’ny faram-paran’ny taona 1932, hany ka voatery nifindra tao Ambodirotra tamin’ny toerana malaladalaka kokoa ny nisionera tamin’ny volana Marsa 1933. Tamin’izay fotoana izay no nanombohanay ny fianarana Soratra Masina isa-maraina, izay maro mpanatrika tokoa. Tamin’ny volana Jona 1933 no neken’ny fanjakana ny fangatahana ny hanao batisa teo amoron’ny reniranon’Ikopa, ka 18 mianadahy (lehilahy 5 ary vehivavy 13) no voalohany natao batisa tamin’izany.
Ny fiorenan’ny Fiangonana ao Ankadivato

Ny trano fiangonana ankehitriny dia efa nihitatra eo amin’io faritra malalaka misy biriky io
Vetivety ihany koa anefa dia tery tao Ambodirotra, ka tamin’ny faran’ny taona 1934 no nanomezan’Itompokolahy Ralambo Emile mivady ny tany izay ijoroan’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato amin’izao fotoana izao. Tamin’ny volana Jona 1935 dia azo ny alalana hanorina trano fiangonana, ka tomombana tsara izany tamin’ny taona 1936. Tamin’ny faran’io taona io no niverina tany Angletera ny misionera noho ny antony ara-pahasalamana, ary tafaverina teto Madagasikara indray nanohy ny asa tao Ankadivato tamin’ny volana Janoary 1938. Tamin’ny volana Jolay 1939 kosa no nanapa-kevitra izy fa hanomboka asa any Moramanga, ary tamin’ny taona 1945 no nody tanteraka tany Angletera izy mivady. Nankininy tanteraka tamin’ireo teratany malagasy ny asa sy ny fitondram-piangonana, ary anisan’izany ny tao Ankadivato.
Ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara
Taorian’ny fahaleovantena, dia nasaina nisafidy anaram-piangonana izay mifanaraka akaiky indrindra amin’ny fanekem-pinoana ijoroany ireo fiangonana miray amin’ny Mission Biblique, ka niova ho Fiangonana Batista Manaraka ny Baiboly et Madagasikara, izay nohafohezina taty aoriana hoe: Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara. Ny sata izay mifehy azy hatramin’izao dia ny satan’ny fikambanana ara-pivavahana (na dia efa mahafeno lavitra ny fepetra ara-panjakana ho tonga « Eglise reconnue » aza izy ankehitriny).
Mihoatra ny zato no isan’ny Fiangonana Batista mivondrona ao amin’ny FFBBM ankehitriny, ary saika mandrakotra ny ankamaroan’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy.
Ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato

Ny Fiangonana ao Ankadivato no niorina voalohany indrindra tamin’ireo Fiangonana izay nivondrona tao amin’ny Mission Biblique, izay nivadika ho Fiangonana Batista Biblika taty aoriana. Noho izany dia tsy azo sarahina amin’ny tantaran’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara ny tantaran’ny Fiangonana ao Ankadivato, ary nandritra ny taona maro rahateo dia saika ireo Loholona tao Ankadivato ihany no ankamaroan’ireo nandrafitra ny filankevim-pitondran’ny Fivondronan’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara.

Ny Filankevitry ny Loholona no misahana ny fitondram-piangonana ao Ankadivato. Io Filankevitra io dia eo ambanin’ny fitarihana mpitandrina matihanina, ka ireto avy ireo izay nifandimby nisahana izany asa izany nanomboka tamin’ny fotoana nodian’ny misionera (taona 1945):
- Itpkl RABENJA Ramiarison (fantatra hoe Rabenja rainy, na Pasitera Be): hatramin’ny taona 1972
- Itpkl RABENJA Andrianavalona: 1972 – 2014 (taona nahafatesany)
- Ny Loholona, notarihan’i RABENIRAINY Landy: 2014-2017 (vanim-potoana tetezamita)
- RALAMBOMANANA Haja: 2018 – ankehitriny

Ankavanana: Pasteur RABENJA Andrianavalona mivady.
Ankehitriny, dia mpikambana manodidina ny 250, ary mpiangona manodidina ny 450 eo ho eo no mandrafitra ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato.
Mbola mitohy ny tantara… mandra-pihavin’ny Tompo!

Mandritra ny fotoana fanompoam-pivavahana Alahady maraina
« Ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny VATO VELONA ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. »
Ny Baiboly, 1Petera 2:5