Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo, sy noraisinareo, sady iorenananareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo
Ny Baiboly, 1Korintiana 15:1-2
ANDRIAMANITRA
Iza no nahary izao rehetra izao?
Andriamanitra no nahary izao rehetra izao, ary isan’izany isika olombelona (Genesisy 1.27Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.). Noho izany dia sady Tompony no manana ny fahefana rehetra amin’izao tontolo izao Izy (Salamo 24:1An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy; izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.). Izy no fiandohana sy fiafarana (Apokalypsy 1.8Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.), izany hoe tsy maintsy hiafara amin’ny fitsarany izao rehetra izao (Apokalypsy 20.12-13Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.) sy ny fanorenanay ny fanjakany mandrakizay, ho voninahitry ny anarany, ny Tantara (Salamo 145:13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.; Apokalypsy 22:3-5Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy. ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny. Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.).
Manao ahoana ny toetran’izany Andriamanitra izany?
Masina Izy (Levitikosy 19:2Mitenena amin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.), ka mankahala ny fahotana, ary tsy afaka ny hiara-mitoetra amin’izany (Habakoka 1:13Ianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy). Marina ihany koa Izy, ka tsy afaka hanao ny ota ho toy ny tsy misy, na ny mpanota ho toy ny tsy meloka, fa tsy maintsy mamaly ny fahotana araka ny tokony ho izy (Eksodosy 34:7mitahiry famindram-po ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.). Tsy manao marimaritra iraisana Andriamanitra, fa mitady ny fahatanterahana Izy (Matio 5:48Koa amin’izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.).
NY OLOMBELONA
Manahoana kosa ny toetry ny olombelona?
Tahaka ny zavaboary rehetra, noharian’Andriamanitra ho tsara indrindra izy (Genesisy 1:31Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany), saingy tonga mpanota ny olona noho ny nidiran’ny ota avy tamin’ilay olombelona voalohany, dia Adama (Romana 5:12Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra). Ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, izay taranak’i Adama, dia samy manana izany toetra mpanota izany avokoa (Romana 3:23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, Mpitoriteny 7.20Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.), ka meloka hatrany an-kibon-dreniny aza (Salamo 51:5, DIEMJereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina.).
Fa inona moa no atao hoe ota?
Ny ota dia fandikàna ny lalàna (1Jaona 3:4Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.), izany hoe ny fomba na toetra raiki-tapisaka tsy mankato an’Andriamanitra Mpamorona, fa manohitra sy mikomy Aminy. Ireo karazam-pahotana samihafa dia miainga avy ao am-pon’ny olona avokoa (Matio 15:19,20Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy, izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tànana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.). Tsy ny fiaraha-monina na ny fomba fanabeazana akory no maharatsy ny olona, fa fombany na toetrany mihitsy ny misafidy ny hikomy amin’Andriamanitra sy hanakalo azy ho zavatra hafa (Romana 1:21,23koa ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka… ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.). Tompon’andraikitra feno amin’ny ratsy ataony ny olona, satria « tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra » (Romana 3:11).
NY VOKATRY NY OTA
Inona no vokatry ny ota?
Satria Masina sy Marina Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsara ny mpanota Izy, ka tsy hisy hanan-kalahatra eo anoloan’ny fitsarany ho avy ireo fa meloka avokoa (Romana 3:19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao,; Hebreo 9:27Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,; Apokalypsy 20:12-15Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany… Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.)
Ny fitsaran’Andriamanitra ny mpanota anefa dia mihatra dieny izao, amin’ny alalan’ny fahafatesana, satria « ny fahafatesana no tambin’ny ota » (Romana 6:23), izany hoe vokatra na valin’ny ota. Ny fahafatesana resahina eto dia tsy ny ara-batana ihany (tonga mety ho faty ny vatana), fa indrindra ara-panahy (Genesisy 2:17: Amin’ny andro ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao).
Inona no atao hoe maty ara-panahy?
Fisarahana no hevitra raketin’ny hoe fahafatesana. Koa ny hoe maty ara-panahy dia midika fa tafasaraka amin’Andriamanitra (Isaia 59:2Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.), izany hoe tsy manana firaisana amin’Andriamanitra, tsy miombona Aminy fa tonga fahavalony. Ny olona maty ara-panahy dia mitondra tena araka izay danin’ny nofony sy ny sainy ihany (Efesiana 2:1-3Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.). Tsy manana eritreritra ary tsy manan-kery ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, fa efa « zatra manao ratsy » (Jeremia 13:23Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.). Vokatry ny tsy fiheverany an’Andriamanitra, dia natolotr’Andriamanitra ho rembin’ny filan-dratsy rehetra ny mpanota (Romana 1:24,26,28Ary izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy… Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony… Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao…), ary ambarany fa andevon’ny ota (Jaona 8:34Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.), izany hoe tsy manan-kery hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa gejain’ny toetrany mpanota.
Inona no hiafaran’ny mpanota?
Tsy maintsy hisy ny fitsarana aorian’ny fahafatesana (Hebreo 9:27Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana). Diso ny fiheverana fa faran’ny zavatra rehetra ny fahafatesana. Hiharan’ny « famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny » (2Tesaloniana 1:9) ny mpanota. « Henatra sy latsa mandrakizay » (Daniela 12:2) no miandry ny mpanota any am-parany
JESOSY KRISTY
Inona no vahaolan’Andriamanitra manoloana ny ota?
Satria marina Andriamanitra dia tsy maintsy mihatra ny fitsaràny marina manoloana ny fahotan’ny olona. Tia ny karazan’olona rehetra hovonjena amin’ny fahotana sy ny fahafatesana anefa Andriamanitra (1Timoty 2:4Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.), hany ka noho ny fitiavany, ary tamin’ny fahasoavany (izany hoe ny fanehoany hatsarana na dia tsy mendrika izany aza ny mpanota), dia ny Zanany lahitokana, dia Jesosy Kristy, no nomeny mba hamonjy ireo mpanota (Jaona 3:16Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.; Romana 5:7,8Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.; Efesiana 2:8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra) izay efa nofidiany rahateo (Efesiana 1:3-4Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika). Nomen’Andriamanitra ny Zanany, izany hoe nandray nofo aman-dra Izy ka tonga Olombelona tahaka antsika, ankoatra ny ota (Jaona 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.; Filipiana 2:6,7Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; Hebreo 2:14Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly,).
Fa maninona no tonga ho Olona tety an-tany Jesosy?
Tonga Olombelona Jesosy mba hanolotra ny ainy (izany hoe ho faty) hamonjy ny mpanota (1Timoty 1:15Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany.), ho avotra hisolo ny maro (Marka 10:45Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.), hanafaka ireo maty ara-panahy amin’ny alalan’ny fahafatesany (Hebreo 2:14,15Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.). Tsy vitan’izany anefa, fa nitsangana avy tamin’ny maty ihany koa Jesosy, mba hanamarina ireo izay mino Azy eo anatrehan’Andriamanitra (Romana 4:25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.).
Nahoana no tsy maintsy ho faty Jesosy?
Araka ny lalàna marin’Andriamanitra, dia « aina solon’ny aina » (Deotoronomia 19:21Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra.), koa « raha tsy misy ra alatsaka (izany hoe aina afoy) dia tsy misy famelan-keloka » (Hebreo 9:22Ary saiky diovina amin’ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.). Ny fitsaran’Andriamanitra dia tsy maintsy mihatra satria Marina Izy, saingy Jesosy Kristy no nisolo toerana ny mpanota ka niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana, ary maty teo (Isaia 53:4-6Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.). Fisoloana no anton’ny nahafatesan’i Jesosy.
Nahoana no afaka hisolo toerana ny mpanota Jesosy?
Afaka hisolo toerana ny mpanota Jesosy satria tsy mba nanan’ota Izy (2Korintiana 5.21Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.), hany ka manan-kery hanadio ny fahotana rehetra ny rany izay latsaka (1Jaona 1.7bary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.). Misy takalo lehibe izany, satria nentin’i Jesosy tao amin’ny tenany teo amin’ny hazofijaliana avokoa ny fahotan’ny mpanota, ary ho takalon’izay dia natolony maimaim-poana ho an’ny mpanota kosa ny fahamarinany tonga lafatra.
Midika inona ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty?
Porofo na antoka faran-tampony izany, maneho fa neken’Andriamanitra sy nankasitrahany tanteraka ny fisoloana nataon’i Jesosy : « nanome antoka hampino ny olona rehetra Izy tamin’ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty » (Asa 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.). Midika ihany koa izany fa velona mandrakizay Jesosy, ary any an-danitra Izy ankehitriny, eo anatrehan’Andriamanitra ka mifona ho an’ireo izay mino Azy. Noho izany dia tsy tsy mihatra amin’ireo intsony ny fanamelohana mendrika ho azy, satria Jesosy mihitsy no Solovava manamarina azy (izany hoe mahatonga azy ho tonga olo-marina), hany ka tsy misy afaka hiampanga azy intsony (Romana 8:33,34Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.; Hebreo 7:25koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.; 1Jaona 2:1Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.).
Izany no Vaovao Mahafaly na Filazantsara : Jesosy Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary nitsangana avy tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, mba ho fanamarinana antsika eo anatrehan’Andriamanitra (Romana 4:25; 1Korintiana 15:1-4).
NY FAMONJENA
Inona àry no tokony hatao mba hovonjena?
Atolotr’Andriamanitra ho an’ny karazan’olona rehetra ny famonjena (1Jaona 2:2ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.), saingy tsy midika izany fa voavonjy avy hatrany ny mpanota isanisany, fa tsy maintsy mamaly ny antson’Andriamanitra ho amin’ny famonjena ny tsirairay avy vao mahazo izany famonjena izany : « Efa tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ka minoa ny filazantsara » (Marka 1:15). Ireo izay mibebaka sy mino ny filazantsara (na mino ny Vaovao mahafaly) ihany no hahazo ny famelan-keloka ka hovonjena (Asa 10:43Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.). Milaza mazava tsara Jesosy fa tsy ho laviny mihitsy izay rehetra manatona Azy (Jaona 6:37Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.), kanefa tsy misy olona mahay manatona Azy (satria maty ara-panahy ny olona, izany hoe tsy manan-kery avy amin’ny tenany), raha tsy taomin’Andriamanitra Ray (Jaona 6:44Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.).
Inona no atao hoe mibebaka?
Ny mibebaka dia miova fomba fijery, ka manaiky sy mandray ny fijerin’Andriamanitra mahakasika ny tena : miaiky fa mpanota, tsy manan-kalahatra, ary eo ambanin’ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny olona mibebaka dia tonga saina (Lioka 15:17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! Maro ny olona karamain’ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!) ny amin’ny toerana misy azy, izay lavitra an’Andriamanitra, ka manaiky fa diso tamin’Andriamanitra tamin’izay fomba nitondrany ny fiainany hatramin’izay, ary malahelo sy manenina feno noho ny amin’izany. Noho izany fahatsapa-tenany izany dia manapa-kevitra ny hahafoy ny fiainana sy fomba taloha izy, ka mitodika amin’Andriamanitra, ary manolo-tena ho Azy (Isaia 55:6, 7Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.). Raha fehezina izany, ny mibebaka dia ny mitsotra sy mahafoy ny fiainam-pahotana (Ohabolana 28:13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.), ka mitodika sy manolo-tena an’Andriamanitra. Didin’Andriamanitra ny olona rehetra amin’izao tontolo izao mba hibebaka (Asa 17:30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka).
Inona no atao hoe mino ny filazantsara?
Ny hoe mino dia matoky tanteraka, na mametraka ny fitokiana rehetra amin’ny vahaolana nomen’Andriamanitra mikasika ny fahotana sy ny fahaverezana. Noho izany, ny olona mino dia tsy miankina amina zavatra hafa intsony (tahaka ny fombam-pivavahana toy ny batisa, ny asa soa, ny asa fivalozana, sns.) mba hahazoany famelan-keloka (Efesiana 2:8,9Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.), fa tena mifikitra feno amin’ny Vaovao Mahafaly irery ihany (1Korintiana 15:1,2Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.), dia ny fisoloana sy ny fanamarinana nataon’i Jesosy Kristy. Ny finoana mahavonjy dia ny fandraisana ho an’ny tena ny fisoloana nataon’i Jesosy tamin’ny fahafatesany, mbamin’ny fanamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Izay mino dia mandray an’Andriamanitra amin’ny teniny, ka resy lahatra 100% fa efa nosoloin’i Jesosy Kristy tena noho ny otany, ary efa nohamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, hany ka voavonjy ka tsy ho very mandrakizay, satria miankina tanteraka amin’i Jesosy amin’ny famonjena, fa tsy miankina amin’ny tena (Jaona 10:28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako.; Hebreo 7:25koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.). Mahafantatra tsara izy fa efa voavela heloka sy voasarona fahotana (Salamo 32:1,2Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.) noho ny finoany an’i Jesosy (Asa 10:43Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.).
Moa ve efa niverina tamin’Andriamanitra ianao, ka noraisinao ho an’ny tenanao manokana izany famonjen-dehibe ao amin’i Jesosy Kristy izany?
Hoy ny fitaoman’ny tenin’Andriamanitra anao: « Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena » (2Korintiana 6:2).
Koa « mihavana amin’Andriamanitra anie ianareo » (2Korintiana 5:20).