Nangonina tato anatin’ity pejy ity ireo hafatra rehetra nalefa tamin’ireo mpiangona tao Ankadivato nandritra ny fotoan’ny fihibohana vokatry ny valan’aretina COVID-19 (taona 2020).
Tsy matahotra ny vaovao ratsy (Salamo 112)
Manainga antsika hamaky sy handinika ny Salamo 112, izay milaza ny fitahiana rehetra ananan’ny olona matahotra ny Tompo. Rehefa Izy tokoa no atahorantsika (tiavintsika, itokiantsika, hajaintsika, ankatoavintsika) dia tsy matahotra ny vaovao ratsy isika, satria tafatoetra matoky ny Tompo ny fontsika (and.7). Aoka isika hifampitondra am-bavaka, sy hangataka ny famindram-pon’ny Tompontsika, ho an’ny firenena, ho an’ireo marary, ho an’ireo mpitsabo, ho an’ireo sahirana ara-pivelomana, ho an’ireo mpitondra. Ary indrindra mba hampitodika ny fon’ny maro amin’ny Tompo ka hatahorany Azy anie ny zava-mitranga ankehitriny!
Miahy ny fiainantsika ny Ray (Lioka 12)
Mampianatra antsika Jesosy fa miahy ny fiainantsika ny Ray. Ao amin’ny Lioka 12:6-7 dia milaza Izy fa tsy misy fody hadinon’Andriamanitra NA IRAY AZA, mainka moa fa isika izay sarobidy noho ny fody maro! Koa aoka tsy hatahotra izay mety hahafaty ny vatana isika izay matahotra an’Andriamanitra (and.4-5). Fampaherezana azoko tamin’ny Tompo anio ka tiako zaraina am-pitiavana aminareo fiangonana. Dia mivavaka hatrany ho anareo rehetra.
Andriamanitra mpihazona (Salamo 104)
Ny Salamo 104 dia mampianatra antsika, fa tsy mpamorona ihany, fa mpihazona sy iankinan’izao rehetra izao ihany koa Andriamanitra. Tsy misy izay tsy miankina Aminy! Ny and.27 dia milaza fa izao rehetra izao dia miandry an’Andriamanitra mba homeny ny haniny amin’ny fotoany. Ny and.28-30 dia maneho fa Izy tokoa no mahafaty sy mahavelona. Eo am-pelatanany sy eo ambanin’ny fifehezany tanteraka izao vanin’andro iainantsika izao! Azontsika an-tsaina ve fa izany Andriamanitra mahery izany tokoa no Andriamanitsika, sady Raintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy? Koa aoka isika hatahotra Azy tokoa, ho tia Azy, hisaotra Azy, hiantoraka Aminy, ary indrindra hatoky tanteraka ny fitantanany.
Andriamanitra misaina izany ho soa (Genesisy 50)
Ny fehin’ny tantaran’i Josefa (Genesisy 37-50) dia milaza amintsika fa izay sainin’ny olona ho ratsy, dia « Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa… hamelona olona betsaka » (Genesisy 50:20). Tsy hitantsika ankehitriny ny ao ambadiky ny sehatra ao, fa azontsika antoka kosa fa Andriamanitra no misaina sy miasa ny zavatra rehetra ho soa (Romana 8:28). Koa tahaka an’i Josefa, dia aoka hanana fahatokiana Azy isika rehefa ao anatin’ny sedra, ka ho olona mahatoky tokoa, fa izany no hankalazantsika ny Anarany.
Apetraho Aminy ny entanao (Salamo 55)
Manoloana ny fahoriana mafy izay nolalovany, dia nananatra ny tenany i Davida hoe: « Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, fa Izy hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina » (Salamo 55:22). Ny entana eto, dia ireo zava-tsarotra samihafa izay sedraina eo amin’ny fiainana. Tsy mampanantena fiainana tsy andalovana zava-tsarotra tokoa ny Tompo, saingy manome toky Izy fa mihazona tanteraka ny mpino rehefa ao anatin’zany. Koa aoka isika hahery mandrakariva amin’ny fahatokiana Azy
Tsitoha ny Andriamanitsika (Joba 42)
Raha mamaky ny Joba 38-42 isika dia mahita fanontaniana maro mifanesy sy tsy hay valiana, izay valiteny nomen’Andriamanitra an’i Joba manoloana ireo fanontaniana nananany fony nandalo fizahan-toetra mafy izy. Ny fehiny, dia Joba ihany no niaiky sy nilaza azy, ao amin’ny Joba 42:2 hoe: « Fantatro fa mahay ny zavatra rehetra Ianao, ary tsy misy maharara izay tianao hatao ». Tsarovy tokoa, fa Tsitoha io Andriamanitsika io! Koa aoka isika hatoky Azy sy hiankina feno Aminy.
Miaina ny fitahian’ny Tompo (Jeremia 17)
Manainga antsika hamaky sy hisaintsaina ny Jeremia 17:5-18, izay mampianatra antsika fa miaina ny fitahian’ny Tompo hatrany ny olona izay manana AZY ho tokiny, ka tsy mahafoy na manakalo AZY olona na zavatra hafa. Koa na dia avy aza ny hain-tany (fahasahiranana), dia ho maitso foana ny raviny ary tsy hitsahatra ny famoniny, satria mamaka ao amin’ny Tompo izy. Izay tokoa ilay nolazain’i Davida hoe: « mamelombelona ny fanahiko IZY » (Salamo 23:3).
Mitolona am-bavaka (Lioka 22)
Manainga antsika hamaky ny Lioka 22:39-46, izay mitantara ny tolona am-bavaka nataon’i Jesosy tao Getsemane. Rehefa fadiranovana ny Tompo dia nivavaka (and.41) sy mbola nivavaka mafimafy kokoa (and.44), ary novaliana fampaherezana Izy (and.43). Indroa miantoana ihany koa Izy no nandidy ny mpianany izay resin’alahelo hivavaka, mba tsy hidirany amin’ny fakam-panahy (and.40, 46). Mampahafantatra antsika izay tokony hilofosantsika amin’izao andro sarotra lalovantsika izao izany, dia ny hivavaka mandrakariva ka tsy ho reraka (Lioka 18:1).
Vatolampy ny Tompo (Deoteronomia 32)
Aoka tsy hihozongozona mihitsy ny fahatokiana be ananantsika mikasika an’Andriamanitra. Araka ny Deoteronomia 32:4, dia Vatolampy Izy (fiorenana mafy, azo antoka tanteraka), ary tanteraka (izany hoe tonga lafatra) ny asany (izay rehetra ataony) – eny, fa na dia tsy mifanaraka amin’izay heverintsika fa tsara aza! Andriamanitra mahatoky, marina sy mahitsy Izy, ka nataony « ho tsara amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra » (Mpitoriteny 3:11).
Ny fiandrianan’Andriamanitsika (Salamo 115)
Manome antsika fiadanam-po sy fifaliana tsy miovaova ny fahafantarana fa « any an-danitra Andriamanitsika, efa nanao izay sitrapony rehetra Izy » (Salamo 115:3). Araka ny teniny, dia « Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? »(Isaia 43:13b). Tsy maintsy ho to ny fikasany, ary miasa ny zavatra rehetra Izy, na ny tsara na ny ratsy, mba hahatanteraka izany. Eny, manana tokoa isika manana an’i Jehovah ho Andriamanitsika. Fantatsika fa tsy mandehandeha foana ny fiainantsika, fa eo am-pelatanany tanteraka. Tadidio tsara izany.
Matoky ny Tompo irery ihany (Isaia 31)
Manoloana ireo fizahan-toetra sy fanahiana samihafa eo amin’ny fiainana, dia aoka hotsaroantsika ny fananaran’ny Tompo ao amin’ny Isaia 31:1, fa: « Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO. » Koa aoka tsy hihataka, fa hiantefa amin’ny Tompo irery ihany hatrany hatrany ny fitokiantsika rehetra, fa amin’izany dia tsy ho loza ho antsika ny fizahan-toetra, fa ho fankalazana an’Andriamanitra!
Tafatoetra ny foko (Salamo 57)
Ny fanombohan’ny vavaka ataon’i Davida ao amin’ny Salamo 57:1 dia mampahatsiaro antsika fa tsy manana fahamendrehana akory isika, na dia kely akory aza, fa mangataka ny famindrampon’ny Tompo. Mihazakazaka mialoka Aminy isika, ka miaro antsika mandra-pahalasan’ny loza Izy. Noho izany indrindra dia tafatoetra, eny, tafatoetra ny fontsika, ka feno fiderana Azy isika (and.7-11). Vakio sy sainintsaino izany Salamo izany, fa tena mampahery be!