Ity pejy ity dia mirakitra ireo fampianarana ny foto-pinoana kristiana amin’ny alalan’ny Katekisma (na Katesizy), izany hoe fomba fampianarana mampiasa fanontaniana sy valiny, ka voafintina ao anatina fehezan-teny tsotra sy fohy ny foto-pampianaran’ny Baiboly mikasika ny lohahevitra iray. Fampianarana notanterahina tao anatin’ny fandaharana Teny Fiainana, Tenim-pamonjena izay vokarin’ny Serasera Vaovao Mahafaly (SVM) izy ity, ka atolotry ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara. Azonao henoina mivantana ny fanazavana ny lesona isanisany (lesona iray = fandaharana iray).


Lohahevitra Voalohany
NY ANTOM-PISIAN’NY OLONA

Lesona 01

Inona no antom-pisian’ny olombelona?

Ny hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny hifaly aminy mandrakizay no antom-pisian’ny olombelona.

« Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany » (1Kor 10:31)

Lohahevitra Faharoa
NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Lesona 02

Inona no fitsipika nomen’Andriamanitra mba hanoroany antsika ny fomba ahafahantsika manome voninahitra sy mifaly aminy?

Ny Tenin’Andriamanitra, izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, no fitsipika tokana manoro antsika ny fomba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra sy hifaliana aminy.

« Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao » (Sal 119:105)

Iza no nanoratra ny Baiboly?

Ny Soratra Masina rehetra dia avy amin’ny tsindimandrin’Andriamanitra.

« Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana » (2Tim 3:16)

Lesona 03

Fomba ahoana no ahafantarantsika fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

Ny Baiboly ihany no maneho fa Tenin’Andriamanitra izy, amin’ny toetry ny fampianarana raketiny, amin’ny firaisan’ny fizarany samihafa, ary amin’ny asany izay manova ny mpanota sady mampandroso ny mpino.

« Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. » (Heb 4:12)

Lesona 04

Inona no vontoatin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra?

Ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra izay tokony hinoan’ny olona mikasika an’Andriamanitra, sy izay adidy takin’Andriamanitra amin’ny olona.

« Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. »(MpT 12:13)

Lohahevitra Fahatelo
ANDRIAMANITRA

Lesona 05

Iza Andriamanitra?

Andriamanitra dia Fanahy, tsy manam-petra, mandrakizay, ary tsy miova amin’ireo fahatsarany sy ny fikasany.

« Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. » (1Tim 1:17)

Lesona 06

Misy Andriamanitra mihoatra ny iray ve?

Iray ihany no Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitra Velona sy Marina.

« Mihainoa ry Israely: Jehovah Andriamanitsika, Jehovah dia iray ihany” (Deo 6:4)

Andriamanitra ve Trinite?

Eny, Andriamanitra dia Trinite, na Persona Telo izay Andriamanitra Iray, dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

“Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina” (2Kor 13:14)

Lesona 07

Inona no antsoina hoe fandaharan’Andriamanitra?

Ny fandaharan’Andriamanitra dia ny fikasany mandrakizay, araka ny hevitra sy ny sitraky ny fony, izay nanendreny mialoha ny zavatra rehetra mba hitranga, ho voninahitry ny anarany.

« Maharitra mandrakizay ny fikasan’ny Tompo, ary mahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny hevitry ny fony » (Sal 33:11)

Fomba ahoana no ampiharan’Andriamanitra ny fandaharany?

Mampihatra ny fandaharany amin’ny alalan’ny asa fahariana sy ny fitondrany izao rehetra izao Andriamanitra.

“Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy haja ary ny hery; fa Ianao no no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy » (Apok 4:11)

Lohahevitra Fahefatra
NY OLOMBELONA SY NY OTA

Lesona 08

Manao ahoana no naharian’Andriamanitra ny olombelona?

Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona, ary nohariany ho tahaka ny endriny, ombam-pahalalana, ombam-pahitsiana ary ombam-pahamarinana, ary nomeny fahefana hanjaka amin’ny voary rehetra.

« Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy » (Gen 1:27)

Lesona 09

Nihazona ny toetra nahariana azy ve ireo olombelona voalohany?

Rehefa navelan’Andriamanitra halalaka amin’ny sitrapon’ny tenany ireo olombelona voalohany dia lavo tamin’ny toetra nahariana azy, tamin’ny nanotany tamin’Andriamanitra.

« Indro, izao ihany no hitako: nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy  » (MpT 7:29)

Inona no atao hoe fahotana?

Ny fahotana dia ny fandikana ny lalànan’Andriamanitra amin’ny toe-tsaina, amin’ny faniriana, na amin’ny fanaovana, dia ny tsy fahatrararana ny fahamasinana takian’Andriamanitra ka tsy manome voninahitra Azy.

« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna » (1Jo 3:4)

Lesona 10

Lavo tao amin’ny tsy fankatoavan’i Adama avokoa ve ny olombelona rehetra?

Eny, amin’ny maha taranany ara-nofo azy, dia nanota tao amin’i Adama avokoa ny olombelona rehetra, ary lavo niaraka taminy tao amin’ny tsy fankatoavana voalohany.

« Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho an’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra » (Rom 5:12)

Manahoana ny toetry ny olombelona vokatry ny fahalavoana?

Vokatry ny fahalavoana dia tafalatsaka tao anatin’ny toe-pahotana sy ny toe-pahoriana ny olombelona.

« Samy nania avokoa izy rehetra; samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza » (Rom 3:12)

Lohahevitra Fahadimy
JESOSY KRISTY SY NY FAMONJENA

Lesona 11

Moa navelan’Andriamanitra ho faty tao anatin’ny toe-pahotany sy ny toe-pahoriany ve ny olombelona?

Araka ny sitrapony, sady efa hatrizay, no nifidy olona ho amin’ny fiainana mandrakizay Andriamanitra, ka nanafaka azy ireo tamin’ny toe-pahotana sy ny toe-pahoriana, ary nitondra azy ireo ho amin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Mpanavotra iray.

« araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika » (Efe 1:4)

Iza no Ilay Mpanavotra ireo olom-boafidin’Andriamanitra?

Ny hany Mpanavotra ireo olom-voafidin’Andriamanitra dia Jesosy Kristy, izay na dia Zanak’Andriamanitra mandrakizay aza, dia tonga olombelona, ka noho izany dia sady Andriamanitra no Olona Izy, manana ireo toetra roa miavaka tsara ireo ao amin’ny tena iray ihany, ho mandrakizay.

« Fa iray Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona » (1Tim 2:5)

Lesona 12

Fomba ahoana no nahatongavan’i Kristy, Izay Zanak’Andriamanitra, ho olombelona?

Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga olombelona tamin’ny nandraisany tena sy fanahin’olombelona. Notorontoronina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ny virjina Maria Izy ary natera-behivavy, kanefa tsy tamin’ota.

« Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona » (Fil 2:6-7)

Inona no manamarika ny fanetren-tenan’i Kristy?

Ny fanetren-tenan’i Kristy dia Izy nateraka toy ny ambany toetra, nateraka teo ambanin’ny lalàna, niaina ny fahorian’izao fiainana izao, ary niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ka nisedra ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.

« … ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana » (Fil 2:8)

Lesona 13

Inona no manamarika ny fanandratana an’i Kristy?

Ny fanandratana an’i Kristy dia Izy nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra tany an-danitra, mipetraka eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra Ray, ary hiverina indray hitsara izao tontolo izao amin’ny andro farany.

« Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina » (1Kor 15:3-4)

Lesona 14

Fomba ahoana no hahatonga antsika ho mpiombona anjara amin’ny fanavotana nataon’i Kristy?

Tonga ho mpiombona anjara amin’ny fanavotana nataon’i Kristy isika amin’ny fampiharan’ny Fanahy Masina izany fanavotana izany amintsika.

« Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina » (Tit 3:4-5)

Fomba ahoana ary ny ampiharan’ny Fanahy Masina amintsika ny fanavotana nataon’i Kristy?

Mampihatra ny fanavotana nataon’i Kristy amintsika ny Fanahy Masina amin’ny anefeny ny finoana mahavonjy ao anatintsika, izay hamaliantsika ny fiantsoany masina.

“Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (1Jao 5:1)

Lesona 15

Inona ny atao hoe finoana mahavonjy?

Ny finoana mahavonjy dia fahasoavana avy amin’Andriamanitra izay ibebahan’ny olona amin’ny fiainam-pahotany, ka anekeny an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany.

« Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara » (Mar 1:15)

Lesona 16

Inona avy ireo tombontsoa raisin’ireo voantso ho amin’ny famonjena amin’izao fiainana izao?

Ireo voantso ho amin’ny famonjena, amin’izao fiainana izao, dia mandray ny fanamarinana, ny fananganana anaka, ny fanamasinana, ary ireo tombontsoa samihafa izay manaraka na aterak’ireo.

« Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarinny koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa » (Rom 8:30)

Inona ny fanamarinana?

Ny fanamarinana dia asan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay hamelany ny fahotantsika, ary handraisany antsika ho marina eo imasony noho ny fahamarinan’i Kristy izay isaina ho fahamarinantsika, ary raisina amin’ny finoana irery ihany izany.

« nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy » (Rom 3:24)

Lesona 17

Inona ny fananganan’anaka?

Ny fananganan’anaka dia asan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay andraisany antsika ho isan’ireo zanak’Andriamanitra, ka ahazoantsika ny tombontsoan’ny maha zanaka rehetra.

« fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany » (Jao 1:12)

Lesona 18

Inona ny fanamasinana?

Ny fanamasinana dia asan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay anavaozany antsika manontolo mba hifanaraka amin’ny endrik’Andriamanitra, ary anomezany hery antsika mba ho faty ombieny ombieny ny amin’ny ota isika, sy hiaina amin’ny fahamarinana.

« fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana » (Efe 4:23-24)

Lesona 19

Inona avy ireo tombontsoa izay raisintsika amin’izao fiainana izao, ka manaraka na ateraky ny fanamarinana, ny fananganan’anaka, ary ny fanamasinana?

Ireo tombontsoa izay raisintsika amin’izao fiainana izao, ka manaraka na ateraky ny fanamarinana, ny fananganan’anaka, ary ny fanamasinana, dia ny fahazoan’antoka ny fitiavan’Andriamanitra, ny fiadanan-tsaina, ny fiombonana amin’i Jesosy Kristy, ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina, ny fitomboana amin’ny fahasoavana, ny tombontsoan’ny vavaka, ary ny faharetana hatramin’ny farany.

« Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika » (Rom 5:1)

Lesona 20

Inona no tombontsoa azon’ny mpino amin’ny fahafatesany?

Amin’ny fahafatesany dia miditra ao amin’ny voninahitra ny mpino, ary tonga tanteraka amin’ny fahamasinana ny fanahiny; ny vatany kosa dia miandry ao am-pasana, mandra-pihavin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

« eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo » (2Kor 5:8)

Lesona 21

Inona no tombontsoa azon’ny mino amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty?

Amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, raha hatsangana am-boninahitra ny mpino, dia hekena sy hafahana amin’ny andro fitsarana, ary ho tanteraka amin’ny fitahiana raha mifaly amin’Andriamanitra mandrakizay.

« Fa ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana » (1Kor 15:53)

Lesona 22

Fehin-kevitra famintinana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny famonjena

Ny votoantin-kafatry ny Filazantsara na Vaovao Mahafaly, voafintina ao anatina teboka efatra:

  • ANDRIAMANITRA
  • ISIKA OLOMBELONA
  • JESOSY KRISTY SY NY FAMONJENA
  • NY VALINY TOKONY HASETRY NY HAFATRY NY FILAZANTSARA

Lohahevitra Fahenina
NY FIAINANA KRISTIANA

Lesona 23

Inona no andrasan’Andriamanitra amin’ny olona?

Andrasan’Andriamanitra amin’ny olona ny fankatoavana ny sitrapony, izay fankatoavana avy amin’ny finoana.

« Rehefa re izany rehetra izany dia izao no teny farany: Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra » (MpT 12:13)

Lesona 24

Inona no nambaran’Andriamanitra voalohany tamin’ny olombelona mba ho fitsipika hankatoaviny?

Ny lalàna ara-pitondrantena no fitsipika nambaran’Andriamanitra voalohany tamin’ny olombelona, mba hankatoaviny.

« Fa na oviana na oviana ireo Jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna, araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo dia manana ny lalànan’ny tenany ihany; fa ireo dia maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony » (Rom 2:14-15)

Lesona 25

Inona no ampianarin’ny teny fampidirana ny Didy Folo antsika?

Mampianatra antsika ny teny fampidirana ny Didy Folo, fa satria Andriamanitra no TOMPO sy Mpanavotra antsika, dia mitandrina ny didiny isika, kanefa tsy miankina amin’ny tenantsika, fa miantoraka amin’ny fahasoavany sy ny heriny ihany.

« Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo » (1Kor 6:20)

Lesona 26

Inona no didy voalohany?

Ny didy voalohany dia, “Aza manana andriamanin-kafa eo anatrehako” (Eks 20:3, Deo 5:7)

Inona no takin’ny didy voalohany?

Takin’ny didy voalohany amintsika ny hahalala sy hanaiky an’Andriamanitra ho Andriamanitra tokana sy marina sy ho Andriamanitsika; ary hivavaka sy hanome voninahitra Azy.

« Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao » (Mat 4:10)

Inona no raran’ny didy voalohany?

Raran’ny didy voalohany ny fandavana, na ny tsy fivavahana, na ny tsy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra marina ho Andriamanitra sy ho Andriamanitsika; ka manolotra ny fivavahana ho an’ny hafa, izay Izy irery ihany anefa no mendrika izany.

« Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy » (Rom 1:21a)

Lesona 27

Inona no didy faharoa?

Ny didy faharoa dia “Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.” (Eks 20:4-6, Deo 5:8-10)

Inona no takin’ny didy faharoa?

Takin’ny didy faharoa ny fitandremana sy ny fitandrovana ho madio ny fivavahana amin’Andriamanitra, araka izay nambaran’Andriamanitra ao amin’ny teniny.

« Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo ka araho; aza ampianao na anesoranao ireny » (Deo 13:1)

Inona no raran’ny didy faharoa?

Raran’ny didy faharoa ny fivavahana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sarinjavatra, na amin’ny fomba hafa rehetra izay mampihataka ny fo amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

« Tandremo tsara ny tenanareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO taminareo avy tao afovoan’ny afo tany Horeba; tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona” (Deo 4:15-16)

Lesona 28

Inona no didy fahatelo?

Ny didy fahatelo dia, “Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany” (Eks 20:7; Deo 5:11)

Inona no takin’ny didy fahatelo?

Takin’ny didy fahatelo ny fampiasana am-pahamasinana sy am-panajana ny anarana, ny toetra, ny teny, ny fitsipika ary ny asan’Andriamanitra.

« Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina! » (Sal 29:2)

Inona no raran’ny didy fahatelo?

Raran’ny didy fahatelo ny fanimbazimbana sy ny fampiasana amin’ny tsy tokony ho izy izay zavatra rehetra anehoan’Andriamanitra ny tenany.

« Aza manao fianianana mandainga amin’ny anarako ka hanamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO” (Lev 19:12)

Lesona 29

Inona no didy fahefatra?

Ny didy fahefatra dia, “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eks 20:8, Deo 5:12)

Inona no takin’ny didy fahefatra?

Takin’ny didy fahefatra ny fitandremana ho masina ho an’Andriamanitra ny fotoana izay voatendriny ho amin’izany, dia andro iray ao anatin’ny herinandro mba hitsaharana ka hahatsiarovana ny Mpahary ary hanaovana fanompoam-pivavahana ho Azy.

« Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata” (Mar 2:27)

Lesona 30

Nahoana no antsoina hoe andron’ny Tompo ny andro Alahady?

Antsoina hoe Andron’ny Tompo ny andro Alahady satria nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro Kristy, ary niara-niangona mba hivavaka amin’ny anaran’i Kristy tamin’izany andro izany ny fiangonana tany am-boalohany.

“Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon’ny trompetra” (Apok 1:10)

Lesona 31

Inona no didy fahadimy?

Ny didy fahadimy dia, “Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao” (Eks 20:12; Deo 5:16)

Inona no takin’ny didy fahadimy?

Takin’ny didy fahadimy ny fanehoantsika fanajana, fitiavana, sy fitokiana ny ray aman-drenitsika, mbamin’izay rehetra manana fahefana amintsika, ka manaiky ny fanabeazany sy ny fananarany, ary koa maharitra manoloana izay mety ho fahalemena sy fahadisoany, satria sitrapon’Andriamanitra ny mifehy antsika amin’ny alalan’izy ireny.

“Anaka, ankatoavy ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo fa rariny izany” (Efe 6:1)

Inona no raran’ny didy fahadimy?

Raran’ny didy fahadimy ny manao tsinontsinona ny fanajana sy ny adidy tandrifin’ny tsirairay avy manoloana ny ray aman-drenintsika sy izay rehetra manana fahefana amintsika.

“Ny mianjonanjona amin-dray sady manimbazimba tsy mankato reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery” (Oha 30:17)

Lesona 32

Inona no didy fahenina?

Ny didy fahenina dia “Aza mamono olona” (Eks 20:13, Deo 5:17).

Inona no takin’ny didy fahenina?

Takin’ny didy fahenina ny fiezahana rehetra, araka izay azo atao, mba hitsimbinana na ny aintsika na ny ain’ny hafa.

“Afaho izay entina hovonoina, ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana!” (Oha 24:11)

Inona no raran’ny didy fahenina?

Raran’ny didy fahenina ny fandatsahana ny ain’ny tena na ny ain’ny hafa tsy an-drariny, sy izay zavatra rehetra mety hitarika amin’izany famonoana izany.

“Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana, fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy ny Tompo” (Rom 12:19)