
Andro soa ny 26 may 2022 teo satria niara-nahatsiarovanay ny niakaran’ny Tomponay tany an-danitra 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, rehefa avy nampianatra sy namela misiona ho an’ny mpianatra Izy.
Andro soa koa anefa satria andro niarahanay nitsangatsangana teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga.
Teo amin’ny 200 teo izahay no tany.
Nifoha maraina tam-pahavitrihana avokoa mba tsy ho tara ny fanombohan’ny fotoana tamin’ny 9 ora ( na dia teo aza ireo sendra ny fiara mbola niodina tany Ambohimanga 🤣🤣)
Andro soa ary Hafaliana no nameno ny tontolo andro izay voarindra nanaraka ny kiririokan’i tonton Vonjy sy noravahan’ny hira sy resadresaka maro isan-tokony.
Nizara gropy ara-loko izahay ary samy nitety ireo post 5 nisian’ny kilalao samihafa. Tsara fanomanana ny ekipa nampilalao hany ka naresaka tokoa ny fientanan’ny isan-tarika
Andro soa ny fiombonanay nisakafo atoandro. Ary mbola nanampy izany ireo gouters maro karazana tany. Tao ny mofo isankarazany sy ny biscuits ary bonbons, fa tena nafilotra koa ny saonjo nomasahan’ireo diakona mahafatrapo notarihin’Ingahy Rabezatovo nifampizarana ny hariva.
Farany ary tena navesa-danja tamin’iny Andro soa iny ny fiarahabana ireo zokiolon’ny fiangonana nahatratra ny taona vaovao. Fitahiana manokana ho anay izy ireo ary ohatra tsara indrindra amin’ny faharetany amin’ny fitondrana am-bavaka .
Manantena ny hiaraka aminao hatrany ary amin’ny fitsangatsanganana manaraka o 😊😊