Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo
Ny Baiboly, Matio 29:19-20
Ny mbola antom-pisian’ny fiangonana eto an-tany dia ny hamita ny iraka izay nanirahan’i Jesosy Tompo azy, dia ny hanao mpianatra ny firenena rehetra (Matio 28:18-20). Ambasadaoron’ny fanjakan’ny lanitra eto an-tany ny fiangonana, ary manana ny fanompoana fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra ho vaindohan-draharahany (2Korintiana 5:20), amin’ny alalan’ny fampielezana ny Filazantsaram-pamonjena sy ny fanorenana fiangonana an-toerana.
Raha vao mazava ny vina, dia tsy maintsy manangana paikady mifanaraka amin’izany ny fiangonana, koa ireto manaraka ireto ary ireo sehatra efatra lehibe izay ilofosan’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato momba ny Misiôna sy ny Fitoriana ny Filazantsara: