Tongasoa
Ho hitanao ato avokoa ireo zavatra rehetra tsara hofantarina mikasika ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato, toy ny maha Batista anay, ny tantaranay, sy ireo foto-pinoana ijoroanay.
Ho hitanao ato ihany koa ny blaogy izay mirakitra lahatsoratra samihafa, ary indrindra ny tahiry mirakitra ireo toriteny sy fampianarana ao Ankadivato, toy ny Katekisma, izay azonao henoina sy alaina malalaka.
Raha misy fanontaniana na filana fanampim-panazavana dia aza misalalasa mifandray aminay. Tsy mahasolo, ary tsy natao hisolo rahateo ny fiombonan’ny fiangonana ity tranonkala ity, koa ny tsara indrindra dia ny mitsidika anay mivantana.
Ireo fampitam-baovao samihafa dia azonao arahina ao amin’ny pejy Facebook ôfisialin’ny fiangonana.
Mirary ny fahasoavan’ny Tompo aminao izay mitsidika eto!
Inona no manamarika ity fiangonana ity?
Fivondronana
Isan'ireo fiangonana mivondrona ao amin'ny FFBBMFivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara.
Tenin'Andriamanitra
Fahefana fara-tampony amin'ny fampianarana sy fitondrantena.
Ny Filazantsara
iainana sy toriana, dia ny famonjena ao amin'i Kristy irery ihany.
Fotoam-pivavahana
izay Andriamanitra Telo Izay Iray no antony sy ivony.
Fitorian-teny
manesy sy mamelatra ny Baiboly, isan-toko isan'andininy.
Batisan'ny mino
Ireo mino no atao batisa, ary asitrika anatin'ny rano.
Fanirahana Lehibe
Antom-pisiana ny hanao mpianatra ny firenena rehetra.
Ankizy
Manana anjara toerana ny fampianarana ny ankizy.